Midika firaisan-tsikombakomba ny fahanginana manoloana ny tsy rariny ka tsy hangina, hoy izy ireo. Tsy afaka ny hangina manoloana ny fanodinkodinana sy fanitsakitsahana ny lalàna velona, indrindra ny lalàmpanorenana ny firaisamonim-pirenena . Saro-pady ny fitandroana ny fiandrianam-pirenena sy ny tombontsoa ambonin’ny malagasy. Rariny sy hitsiny raha olona mizaka ny zom-pirenena malagasy ihany no laniana filoham-pirenena. Mangataka amin’Andriamatoa Andry Rajoelina mba hitsipaka an-tsitrapo ny fizakany ny zom-pirenena frantsay, indrindra raha mikasa ny ho filoham-pirenena izy. Fanimbazimbana ny safidim-bahoaka ary tsy ara-dalàna ny fanomezana andraikitra ny governemanta itambarana, izany hoe olom-boatendry tsy nomen’ny olompirenena fahefana tamin’ny fifidianana raha toa ka mbola misy olona afaka mandray andraikitra eo anivon’ny antenimierandoholona. Tokony mametra-pialàna avy hatrany ny filohan’ny antenimierandoholona rehefa nandà ny handray ny fahefana ho filoham-panjakana mpisolo toerana. Raha tiana hilamina ny fifidianana ary tsy hisy fanoherana ny voka-pifidianana ka hitondra am-pahalemana izay filoha lany eo dia tandrovana io fotokevitra fototra io ary averina any amin’ny filohan’ny antenimieran-doholona ny fahefana ho filoham-panjakana mpisolo toerana. Aza asiana sakatsakana ny fahalalahana haneho hevitra sy hamory olona amin’ny toerana sahaza izany na an-kalamanjana na amin’ny toerana voatokana satria mila sehatra ahazoana mifampihaino ny malagasy mba ahafahany manao safidy voalanjalanja araka ireo programan’asa atolotry ny kandida na mpilatsaka ho fidiana rehetra. Manao antso avo noho izany ny firaisamonim-pirenena mba handray ny andraikitra tandrify azy ny rehetra ho fiarovana ny tombontsoa ambony sy ny fiandrianam-pirenena ho fampanajana ny tany tan-dalàna ary mba isorohana ny loza mitatao dia ny krizim-pifidianana anaty herisetra sy korontana. Ry antoko sy mpanao politika, na mpanohitra na eo anivon’ny fitondrana, hetseho sy beazo handala izany fotokevitra demokratika ny olompirenena sy ny vahoaka mpankafy sy mpanaradia antsika mba ho tombontsoan’ny firenena. Ry tomponandraikitra eo anivon’ny fiangonana, indrindra, ianareo raiamandreny eo anivon’ny FFKM. Mankahery hatrany amin’ny fenetsehana ihany isika amin’ny fitondrana loabary an-dasy sy fifampiresahana tany amin’ny faritra sy teto amin’ny sehatra nasionaly ary velombolo sy fanantenana ny malagasy, noho izany.
MIANTSO NY MPITANDRO FILAMINANA
Ry mpitandro ny filaminana (miaramila, zandary, polisy), manamboninahitra ambony, manamboninahitra lefitra, isika miaramila sy mpitandro filaminana tsotra. Aoka isika hanontany tena ao amin’ny feon’ny fieritreretantsika ao hoe mbola tena fiarovana ny fiandrianam-pirenena ve no mibaiko antsika? Mandraisa andraikitra ho an’ny firenentsika ary koa iainan’ny havantsika sy ny taranantsika ao amin’ny Madagasikara lavitry ny krizy sy ny korontana. Ry vahoaka sy olompirenena malagasy rehetra manerana ny faritra sy ny lafy valon’ny nosy, aoka isika ho sahy hijoro sy handray andraikitra satria halohalika ny ranombary. Mila fifidianana isika ary filohampirenena lany amin’ny fifidianana madio sy marina fa tsy amin’ny fanaovana kajikajy mifanohitra amin’ny lalàmpanorenana na koa ao anaty teritery maro isan-karazany, hoy hatrany ireto firaisa-monim-pirenena miisa 32 nanao fanambarana iraisana ireto.
J. Mirija
Andrasana anio 20 mey 2025 etsy amin’ny Antenimierampirenena ny Minisitra miisa 3
Manoloana ny resaka aely ao amin'ny kaominin’i Talata Volonondry mikasika ny
Kihon-dalana politika iray teto amin’ny Firenena sy ny antoko TIM ny raharaha 2009
Hatramin’ireo antoko politika neverina ho filamatra teto amin’ny firenena hatramin’ny repoblika voalohany