airtel

Politique

08-sept-2023

Firaisankinan’ireo administratera sivily

“Tsy maintsy miroso amin’ny fanelanelanana isika!”

Sample post image

Manoloana izao vanin’andro mafampana fahataperan’ny fametrahana ny antotan-taratasy filantsahan-kofidiana ho

08-sept-2023

filoham-pirenena izao dia niarahantsika nahita ny fanambaran’ireo raiamandrenim-piangonana anivon’ny FFKM, hoy ny firaisankinan’ireo administratera sivily, omaly, dia ny fitadiavana fanelanelanana hisorohana fifandonana. Be dia be, hoy ny mpitondra tenin’izy ireo, Ratolojanahary Maharavo, ireo antokon’olona mpanao politika, fiarahamonim-pirenena mitady ny fiaraha-midinika amahana ny olana amin’ny ankapobeny misy eto Madagasikara dia ireo olana mety hiteraka disadisa amin’ny fanatanterahana fifidianana. Tsy nanaiky hisian’izany fifanatonana izany mihitsy ny fanjakana hatramin’izay ka mbola miantso ny FFKM hatreto hisian’ilay fifampidinihana. Izay no mahatonga anay mivondrona anaty “collectif des administrateurs civiles” na firaisankinan’ireo administratera sivily mijoro hamaly ny antson’ireo raiamandrenim-piangonana ireo. Mahatsapa izahay fa ny olana misy eto amin’ny firenena dia tsy afaka ialanay administratera sivily sy ny minisiteran’ny atitany. Tompon’antoka amin’ny fiarovana ny ain’olombelona sy ny fananany izany minisiteran’ny atitany eto amin’ny tany sy fanjakana izany. Tsy azo dinganina amin’ny resaka fifidianana izany na eo aza ny CENI. Raha hiresaka fandriampahalemana araka ny voalaza teo dia tsy azo dinganina izany. Tandindomin-doza ny firenena, ny ain’olombelona sy ny fananany eto amin’ny firenentsika manoloana ny fihetsiky ny mpanao politika entin’ny fitiavan-tena, entin’ny tsy fiheritreretana ka miheritreritra hiroso amboletra fotsiny amin’ny raharaham-pifidianana. Mahatsapa izahay fa raha hirosoana amboletra tsy misy fiaraha-midinika io fifidianana io dia tsy vitan’ny hifamono fotsiny ny olona fa tsy fantatra intsony izay hiafarantsika eto satria marina fa tompon-tanindrazana isika eto amin’ity Madagasikara ity fa tsy antsika irery ny harena misy eto. Be dia be ireo firenena mampiasa vola eto amintsika eto. Tandindonin-doza daholo ny fananan’ny olona rehetra eto. Miheritreritra angamba ny sasany fa ho vita mora ity raharaham-pifidianana ity ka ho jerena fotsiny ity vahoaka am-bavahoana hifamono am-pitoerana ity. Tompon’antoka amin’izay hitranga eo ny minisiteran’ny atitany sy mpitandro filaminana. Efa hitantsika ihany ny zava-misy aty Afrika. Hijoro hampanjaka ny fanarahan-dalàna izahay! Efa nisy didy navoakan’ny HCC maro tsy neken’ny malagasy teto. Tsy matahotra ny gasy fa manaja tenin-draiamandreny. Inona no hataon’ny EMMO raha hitondra ny mpomba azy an-dalambe ireo kandida miisa 8 ireo? Tsy maintsy miroso amin’ny fanelanelanana isika raha tsy te hifamono! Vitan’ny filoham-pirenena ny niantso ny raiamandrenim-piangonana sy ny tomponandraikitra rehetra tamin’ny COVID. Ankehitriny, zava-doza lavitra noho izany no misy eto amin’ny firenena ka maninona no tsy mifanatona, hoy hatrany izy ireo?
J. Mirija

 

 

 

Dans la même rubrique

15-janv-2025

Mafampana ny toe-draharaha mikasika ny fifidianana ao Toamasina I. Nanamafy fa hijoro

Card image cap
15-janv-2025

Nafotaka ny fifampitorian’ireo samy kandidà ho ben’ny tanànan’Antananarivo renivohitra noraisina

Card image cap
15-janv-2025

Efa tany amin’ny taona 1913 no nanomboka ny lalàna momba ny fisaharahan’ny

Card image cap
14-janv-2025

Andrasana tsy ho ela ny voka-pifidianana eto Antananarivo Renivohitra taorian’ny fiakarana fampanoavana mikasika

Card image cap
14-janv-2025

Anatin’ny kihon-dàlana farany amin’ny fitsarana ny raharaham-pifidianana ireo Tribonaly misahana ny ady

Card image cap
14-janv-2025

Miantso ny mpitondra fanjakàna izay raiamandreny, hoy ny antoko politika Natiora.

Card image cap