airtel

Politique

24-oct-2023

Firaisankinan’ny kandida

Miditra amin'ny dingana mafimafy kokoa

Sample post image

Miroso hatrany ny tolona, ary tsy mijanona raha tsy tratra ny tanjona,

24-oct-2023

hoy ny fampanantenan’ny Firaisankinan’ny kandida omaly, ka teny Andranomena niazo an’Ambohibao, Imerina Afovoany, Talatamaty hatreny Ivato ny diabe. Teo Talatamaty no nanao kabary sy nitondra hafatra ireo kandida, notronin’ny vahoaka maro be. “Tsy mihemotra na inona na inona mitranga, miray hita tanteraka ny Firaisankinan’ny kandida ka aza matahotra ianareo na misy aza ny mandehandeha any. Tena asehonay fa miray hina izahay, ary hery ho anay ny fijoroanareo izay tena mampiseho fa tsy voavidy vola. Be ny fanantenan’ny vahoaka Malagasy, betsaka ny fanantenan’ny kandida satria na tsy mitovy hevitra aza dia izahay ary samy manana ny politika dia miray hina ho tombotsoa ambonin’ny firenena”, hoy ny candida Marc Ravalomanana. Nanamafy ny fanokafam-baravarana amin’ny herivelona samihafa moa ny Firaisankinan’ny kandida. Nohamafisin’ny kandida Roland Ratsiraka kosa, fa raha misy amin’izy ireo diso làlana dia tsy miray hina amin’ilay kandida marary. Notsiahiviny sy notsipihiny fa ny andininy faha-47 amin’ny lalàmpanorenana no mamaritra far aha misy candida marary izay sokajiana ho ao anatin’ny anton-javatra tsy azo ivalozana na “cas de force majeure”, dia tsy maintsy hahemotra ny fifidianana. Mila mampiseho ny firaisankinantsika tanteraka amin’ny kandida izay marary tsy afaka manao propagandy, ka manamafy ny fijanonana tsy hanao propagandy, ary mitaky fifidianana madio, hoy hatrany ny kandida Roland Ratsiraka. Nohitrikitrihany hatrany fa ny zava-dehibe tsy maintsy fantatry ny vahoaka dia ny fisian’ny governemanta mitanila sy manampy ny kandida iray ka tsy azo ekena. Tahaka izany ihany koa ny HCC izay nambarany fa manapa-kevitra amin’ny tsy alehany satria manampy ny kandida iray ka tsy azo ekena. Nohampangain’I Roland Ratsiraka ihany koa ny CENI, ka nilazany fa namorona fokontany maro, biraom-pifidianana tsy izy, olona efa maty mbola nahazo kara-pifidianana,. “Tsy azo sakanana ary tsy azo tohanana ny herim-bahoaka rehefa tena te hitaky izy ka tsy ho voasakana na inona na inona. Mitohy ny tolona, tsy mihemotra, raha tsy tafapetraka ny tena tany tan-dalàna”, hoy kosa ny kandida Hery Rajaonarimampianina izay naneho fa tsy maintsy ho azo ny fandresena ka nanentana ny olona tsy ho kivy, nanentanany ny rehetra ho avy hanamafy izany. Nanamafy kosa ny solontenan’ny kandida Andry Raobelina, fa arakaraka ny sakantsakana no vao mainka lasa zezika mampiroborobo ny tolona, tahaka ny tamin’ny sabotsy teo izay efa ny zoma hariva be vao nomena alalana, kanefa rakotra vahoaka ny Coliseum.
MIDITRA AMIN’NY DINGANA MAFIMAFY KOKOA
Miditra amin’ny dingana mafimafy kokoa ny tolona, rehefa tarafina amin’ny zava-misy amin’izao fotoana izao. Efa maro ireo sendika sy rafitra samihafa manamafy ny tolona, fa raha ny fandaharam-potoana anio, dia hitohy ny fihaonan’ny kandida amin’ny sendika, mpiasam-panjakana sy tsy miankina, mpianatra, vondrona sy antoko politika ary sokajin’olon-tsotra marobe. Efa maro ny fanamelohana sy fanambarana samihafa eo anatrehan’ny fihetsiky ny mpitondra. Ny mpiasam-panjakana izay efa maro no naneho fa leo tsindritsindry sy fandokoana ara-politika ny asam-panjakana,… Io iaraha-mahita io ohatra ny fanomezan’ny Firainkinan’ny sendika eto Madagasikara na ny SSM fe-potoana 72ora mba hamoahana vahaolana eo anatrehan’izao krizy izao, raha tsy izany hiditra amin’ny fampitsaharana tanteraka ny asam-panjakana manomboka ny alakamisy izao,… Ambony ny tsindry ka na ny HCC ihany koa aza toa mitandrina mafy, tsy tena mbola namoaka didy eo anatrehan’ireo taratasy fitoriana maro: an’ny loholona Herimanana Razafimahefa, ny fitorian’ny depiote 38, fangatahana faharoa nataon’ny kandida Andry Raobelina manamafy ny fisiana antony tsy azo hanoharana na “cas de force majeure” araka ny andininy faha-47 amin’ny lalàmpanorenana izay mitaky fihemoran’ny fifidianana,… Mbola resaka hafa ny fiakaran’ny raharaha eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Tsy resaka politika sy fifidianana fotsiny intsony ity fa tena efa raharaham-pirenena manontolo mihitsy ka asa na mbola hinia hiziriziry hanao sorona ny firenena ny mpitondra sy ny kandidany, na hiaiky fa misy ny zavatra mila alaminna mialohan’ny hirosoana amin’ny fifidianana izay vao mainka hiteraka krizy politika lalina mety hiantraika amin’ny toekarena raha tsy voasoroka.
Toky R
 

Dans la même rubrique

21-mai-2025

Tsy mitsahatra ny manaraka ny fivoaran’ny toe-draharaham-pirenena misy eto amintsika ny

Card image cap
21-mai-2025

Taorian’ny fitsarana teny amin’ny Filankevi-panjakana na « Conseil d’Etat »

Card image cap
21-mai-2025

Araka ny efa nampoizina, notsipahan’ny Birao maharitry ny Antenimieramierampirenena

Card image cap
20-mai-2025

Andrasana anio 20 mey 2025 etsy amin’ny Antenimierampirenena ny Minisitra miisa 3

Card image cap
20-mai-2025

eto ny mpandraharaha any ivelany»

Card image cap
20-mai-2025

Manoloana ny resaka aely ao amin'ny kaominin’i Talata Volonondry mikasika ny

Card image cap