airtel

Politique

05-oct-2023

Firaisankinan’ny kandida

Mitohy eny an-kianja ny Tolona

Sample post image

Niroso tamin’ny fifampiresahana sy fifanakalozan-kevitra tamin’ny antoko politika sy ny solombavambahoaka teny

05-oct-2023

amin’ny Le Hintsy Ambohimanambola omaly tontolo andro ny firaisankinan’ny kandida.
 Ny fahatongavan’ny ampahany amin’ireo kandida teny amin’ny Le Hintsy
Fihanonana manaraka ny lojikan’ny dinika nifanaovana tamin’ireo ray amandreny am-panahy eo anivon’ny FFKM ny talata lasa teo teny Ambohimanoro ka nifanarahana fa zava-dehibe amin’ny fmahana ny krizy ny fifampiresahana. Tsy misy soa azo avy amin’ny fifandrafesana na ny fifandranitana fa na inona na inona adihevitra atao eto dia tsy maintsy miafara amin’ny resaka an-databatra boribory ihany izany.

 Anisan’ny niafanakalo hevitra tamin’ny Collectif des candidats ny solombavambahoaka
MANOVA PAIKADY
Manipika mazava anefa ny Collectif des candidats omaly hariva tamin’ny alalan’ny kandida Paraina Auguste fa mitohy anio alakamisy ny Tolona.Somary nanova paikady izy ireo, tsy namoaka amin’ny antsipirihany ny fandaharam-potoana izy fa dia ho fantatra miandalana ny hoe inona sy ahoana ny atao. Tsy maintsy mbola hisy ny vaomiera manokana hiasa amin’ny resaka kipitsopitsony fa tsy anaty fivoriana tambabe no hanapahan-kevitra, raha ny fanazavana azo teny Ambohimanambola omaly hariva. Tsy miova hatreto ny fitakiana ho an’ny vondron’ny kandida fa dia mila mazava ny fitsipi-dalao, tsy ekena ny fandikan-dalana, tsy mety io endrim-pitantanana ataon’ny governemanta io, mila atsangana ny fitsarana manokana misahana ny fifidianana, ovaina ny endriky ny CENI. Ny anton’izany rehetra izany dia ny mba hahazoana antoka fa fifidianana madio sy marina no hitranga eto. Amboarina tsara ny rafitra rehetra mba tsy hisian’ny krizy miverimberina eto amin’ny firenena. Misy zavatra tsy maintsy dinihina, rafitra tsy maintsy amboarina, olana tsy maintsy vahana.


EFA FISOMPARANA FA TSY FITANDROANA NY FILAMINANA
Hetsika ho an’ny firenena sy ho an’ny taranaka izao, hanoherana ihany koa ny endrika fanaparam-pahefana satria na ny fisamborana natao ny alatsinainy lasa teo fotsiny aza dia efa zavatra tsy izy mihitsy, hoy ry zareo avy ao amin’ny Firaisankinan’ny kandida. Olona mipetraka tsara no raofina toa ny vorona, hoy i Marc Ravalomanana izay. Filohan’ny antenimierandoholona teo aloha, efa filoham-pirenena vonjimaika no noratraina, dia tsy iza izany fa i Rivo Rakotovao tahaka izany ihany koa ny kandida Andry Raobelina. Efa tsy fitandroana ny filaminana intsony no misy amin’izao fotoana, hoy i Paraina auguste omaly hariva fa zavatra hafa mihitsy. Filaharana efa ambara fa vit ave dia mbola mitifitra baomba lakrimozenina ihany ny zandary teny Anosy, manenjika olona, misy ny fisomparana mamaky kodiarana fiaran’olona . Noho izany mila mitandrina ihany izahay, hoy i Paraina Auguste. Tsara ho marihina fa efa tazana nanatrika ity fihaonana teny amin’ny Le Hintsy Ambohimanambola ity ny kandida Brunelle Razafitsiandraofa omaly.
SARY 3
Nangonin’i RTT

 

Dans la même rubrique

27-mai-2025

Nampidirina ho ala-olana indray ny vanin’andro ririnina, izay mampihena ny

Card image cap
27-mai-2025

ny vahiny fa ny eto potehina…

Card image cap
27-mai-2025

Fa inona marina no tena olana ao amin’ny samy mpitondra ambony ao e ?

Card image cap
27-mai-2025

Mipetraka ho adihevitra eo amin’ny tontolo politika indray ny resaka lalàm-pifidianana,

Card image cap
26-mai-2025

Ho lanin’ny vahoaka malagasy tsianjery ihany no hiafaran’ity kobaka am-bavan’ny filoham-pirenena,

Card image cap
26-mai-2025

Notanterahana ny zoma sy sabotsy 23-24 mey tetsy amin’ny Hotely Carlton Anosy ny hetsika

Card image cap