airtel

Politique

03-nov-2023

Firaisankinan’ny kandida

« Tsy maintsy hanova ny tantara eny amin’ny 13 may isika »

Sample post image

Tsy azo hamidy sy atakalo ny safidim-bahoaka, ary mirary hina ny vahoaka hanavotra ny Firenena, hoy ny Firaisankinan’ny kandida omaly tamin’ny alalan’i Marc Ravalomanana,

03-nov-2023

nandritra ny diabe teny Ambohitrimanjaka, izay nangorom-potsy tanteraka. Nanazava tamin'ny vahoaka, fa ny HCC aza efa misy tsy milaza fa tsy ara-dalàna ny fitondrana. Milaza ireo fa hosakanana, ary lazaina fa hanongam-panjakana isika, saingy efa Fanjakana tsy ara-dàlana no io, raha ny nambarany, ka nahitsy i Marc Ravalomanana nilaza hoe : Tsy anareo irery ny 13 may fa an’ny Malagasy! Nanentana ny rehetra ho tonga ny tenany amin’ny sabotsy izao. Nanamafy ihany koa i Roland Ratsiraka fa tsy ara-dalàna ny fanomezam-pahefana ny Jeneraly Ravalomanana, tsy azo ekena ny fifidianana feno hosoka, mbola tsy misy fifidianana akory dia efa hoe : lany hono i Andry Rajoelina ka angaha moa nety ny fiainantsika tao anatin’izay 5 taona izay ? Angaha moa niha nidina ny vidin-javatra ? Angaha moa nahazo asa ny tanora ? Angaha tsy mijaly ny Raim-pianankaviana miantoka ny saram-pianaran-janany? hoy hatrany io kandida io, izay nilaza fa voan’ny tamberin-tany I Andry Rajoelina. Mila fifidianana madio sy mangarahara ary eken’ny rehetra isika, ary mino sy mahatoky aho, hoy izy, fa anatin’ny Firaisankinan’ny kandida ny ho tompondakan’ny fahefana eto Madagasikara ka ao amin’izay fotoana izay dia hiverina amin’ny laoniny ny fiainantsika. Tsy mila vazaha, ny ady ataonay dia ho an'ny tanora, ho an'ny hoavin'ny vahoaka sy Madagasikara, hesorina eo am-pelantana'ny jiolahimboto isany ny Firenena, hoy hatrany I Roland Ratsiraka izay nitanisa ireo tsy fanjariana toy ny trafikana volamena sy boaderosy teto. Nohamafisin’ny kandida Hery Rajaonarimampianina ksoa fa mitovy ny fomba fijery matoa tonga maro ny vahoaka, dia ny hanarina Firenena. Mila fifidianana madio, vao nilaza ny Transparency International, fa misy kolikolim-pifidianana. Vidiana ny olona sy rafitra hahazoana vato. Tsy ny vola no mibaiko fa ny fitiavan-tanindrazana, izay no tsy hanekena ny fampiasana ny volam-panjakana sy fitaovam-panjakana, hoy io Filoha teo aloha io.
TSY MAINTSY HANOVA NY TANTARA
Nanamafy kosa ny kandida Paraina Auguste, fa eto ihany no misy Filoham-panjakana roa, tsy anaty lalampanorenana, tsy azo ekena, ka miantso ny rehetra ho eny amin'ny 13 may! Aza matahotra fa ny mitabe tsy lany mamba Tsy hisy fifidianana handeha eto, hoy izy, izay nampianny candida Jean Jacques Ratsietison hoe : Ambohitrimanjaka no nanohitra voalohany izao fitondrana izao. Asehontsika, hoy izy, fa io 13 may io tsy azy, ary aza matahotra ianareo fa izahay no hitarika. «Aza matahotra amin'ny sabotsy eny Analakely”, hoy izy nanamafy. Niantso fandraisan’andraikitra kosa ny candida Tahina Razafinjoelina, ka alaivo sary, hoy izy, izay hitanareo fa mizara vola fa fahotana mahafatifaty ara-pifidianana izany. Andana mody makany dia raiso ilay zavatra, saingy arahina fandraisana andraikitra raha ny nambarany. Manana adidy isika olo-marina hijoro, ka mankahery antsika mianakavy, hoy hatrany izy. Iza no nanongam-panjakana tamin'ny 2009? Iza no nampiditra logiciel predator? Iza no nanary ny zom-pireneny? Hoy kosa ny Solontenanny kandida Andry Raobelina, izay nampahatsiahy ny fandikan-dalàna an-tsitrapo. Notsiahivinny kandida Hajo Andrianainarivelo kosa, fa iray volana omaly no nanombohana ny diabe, ary tsy reraka. Efa feno, efa mitsangana ny olona manerana an'i Madagasikara, efa fandresena izany. Nohamafisiny, fa tolom-bahoaka no atao, aseho an'izao tontolo izao, ho an'ny Malagasy rehetra, miova hevitra ny HCC, na ny mpitandro ny filaminana. “Eo amin’ny kianjan’ny may no fanovana ny tantara, ary tsy maintsy eo no hamadihantsika azy amin'ity indray mitoraka ity. Mitohy ny tolona ary hitohy foana, raha tsy mijanona io fifidianana navadika fividianana io”, hoy ny kandida Hajo Andrianainarivelo nanamafy.
Toky R 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Notanterahina omaly teny amin'ny Gara Soarano ny lanonana politika fametrahana samboady ireo

Card image cap
24-juil-2024

Mitady minisitra volamena tonga dia tsy kosehina intsony fa avy dia mitondra fahazavana

Card image cap
24-juil-2024

Tsy mahafaty ny mahatsikaiky! na koa hoe «Le ridicule ne tue pas!»,

Card image cap
24-juil-2024

Aiza sy nankaiza ny Filohan’ny Delegasionina manokan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra Atoa Ramanambitana Richard ?

Card image cap
24-juil-2024

Efa mitovy salan’isa amin’ireo tantsaha mpamokatra eto amintsika izany hoe :

Card image cap
24-juil-2024

Mbola vitsy ireo vehivavy misahana andraikitra ambony na miantsehatra eo amin’ny

Card image cap