resy lahatra ary vonona ny hiaradia amin’ny Firaisankinan’ny Tia Tanindrazana (FTT) . Hafa ilay fomba fotokevitra sy ny vina hoy izy ireo , hita fa resaka azo tanterahina tsara fa tsy fampanatenana poakaty na kabary atao mba hambaboana ny fom-bahoaka fotsiny.Noho izany indrindra no antony nametrahan’ny FTT foiben-toeran iasana isaky ny faritra. Taorian’ny fampahafantarana ny fisokafan’izy ireny dia manomboka tonga misoratra anarana sy mangataka fiaraha-miasa sy fifanohanana ny olom-pirenena. Ho an’ireo izay mila fanampim-panazavana ary dia ireto omena ireo ny lisitr’ireo foiben-toerana iasana ho an’ny Firaisankinan’ny Tia Tanindrazana any amin’ny faritra : SARY 1 - Antananarivo : Ankadindratombo Bypass - Fianarantsoa : Espace Sofia Ambalakosoa - Toamasina : Anjoma - Antsirabe : Tsarasaotra route d'Ambositra - Mahajanga : Ambalavato - Ambositra : Antapon'ny Vinany - Manakara : Antanakidy - Fandriana : Atsinanan-tsena - Farafangana : Tanambao - Mananjary : Tanambao - Ihosy : an-ampon-tanàna SARY 2 Tsara ho marihina fa fanombohana ihany fotsiny ireo fa tsy maintsy mbola ho avy ny any amin’ny faritra sy toerana hafa, ny tanjona ho an’ny FTT dia ny fahafahana mifanakalo hevitra, mifandray sy mifanampy amin’ny mpiray tanindrazana. Tsy maintsy misy ny fifandaminana atao ka hanana anjara andraikitra lehibe amin’izany ireo tompon’andraikitra isaky ny faritra sy ny distrika.
SARY 3
Nangonin’i RTT
Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,
Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany
Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,
Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,
hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra
Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,