airtel

Politique

09-oct-2023

Firaisankinan’ny Tia Tanindrazana

“Melohinay ny herisetra, miantso ny Malagasy ho sahy hijoro”

Sample post image

Namoaka fanambarana manameloka amin’ny heriny manontolo ny herisetra tsy roa aman-tany natao

09-oct-2023

tamin’ny olom-pirenena na mpitarika politika na vahoaka tsotra ny Firaisankinan’ny Tia Tanindrazana na FTT, ka miantso ny tsy hanaovana fitaovana politika hiarovana olom-bitsy ny mpitandro filaminana. “Manoloana ny herisetra atao amin'ny vahoaka malagasy mandeha tanam-polo manao fitakiana am-pilaminana. Manoloana ny fandratrana filoham-pirenena teo aloha sy raiamandreny efa nitana andraikitra ambony teto amin'ny firenena. Manoloana ny fandratrana vehivavy mitondra vohoka. Manoloana ny fanohintohinana ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety sy fandratrana mpanao gazety eo am-panatanterahana ny asany. Manoloana ny fanosihosehana ny demokrasia sy ny zo fototra haneho hevitra an-kalalahana. Manoloana ny fitanilàna amin'ny fanomezana alalana hamory vahoaka. Ny firaisankinan'ny Tia Tanindrazana dia manameloka tanteraka amin'ny heriny iray manontolo ny fanaparam-pahefana ataon'ny mpitondra fanjakana amin'izao fotoana. Manameloka ny fampiasana ny mpitandro filaminana indrindra fa ny zandarimariam-pirenena ho fitaovana politika ho fiarovana tombotsoan'olom-bitsy. Mampahery ireo mpiray tanindrazana niharan'ny herisetra sy naratra noho ny fahasahiana mijoro ho an'i Gasikara. Manamafy hatrany fa ilaina ny fifampidinihina amin-kitsim-po-po mba hikarohana vahaolana mety sy mahomby noho ny tombotsoa ambonin'ny firenena. Ety am-pamaranana dia mbola miantso hatrany ny olom-pirenena tsy ankanavaka ho sahy hijoro sy hitaky ny fahamarinana. Aza miandry fanovana fa isika izao ny Fanovana. "Miaraka vao mandresy fa tsy mandresy vao miaraka", hoy ny FTT tamin’ny alalan’ny Birao Nasionaly omaly 08 oktobra 2023;
Toky R
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,

Card image cap
30-mai-2025

Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany

Card image cap
30-mai-2025

Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,

Card image cap
30-mai-2025

Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,

Card image cap
28-mai-2025

hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra

Card image cap
28-mai-2025

Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,

Card image cap