airtel

Politique

13-nov-2024

Firenena atao toy ny mitantana « Epicerie »

Ho vita ve ny hiaritra an’izao 5 taona!

Sample post image

Miharihary hatrany aloha ny tsy tena fisian’ny rindran-damina mazava sy mahomby amin’ny fitantanana ny Firenena ankehitriny.

13-nov-2024

Arakaraka ny zava-misy sy mitranga sisa ny fomba fiasa. Tany aloha nolazaina fa ampandeferina kely aloha ny fotodrafitrasa, hijery kokoa ny lafiny sosialy, saingy tsy hita izay tena vokany. Ny sosialy tsy hita izay tena zavatra nivaingana tamin’ny fiainam-bahoaka, ny fitodrafitrasa tsy ambony tsy ambany tahaka ny lohalik’alika, raha tsy hilaza afatsy ny « Autoroute » 260km, izay 80km no nampanantenaina hatramin’ny faran’ny taona 2023, ary nihena ho 25km hatramin’ny faran’ny taona 2024,... Dia izao hanao milaza hanao « route du soleil » 2000km kanefa ny eo tsy hita izay tena mivaingana. Betsaka ny resaka miverimberina, fa ny vokatra tsy misy satria tsy misy sori-dàlana mazava aleha fa fitantanana sy fifehezana krizy no misy eto, ka ambony ambany ny fiainam-bahoaka. Ny jiro sy rano fampantenana zavatra hatao no betsaka fa ny fahatanterahana hiviny, dia io fa ny famoahana ireo « panneaux solaires » ao Toamasina no hanaovana serasera fa miasa. Ny fihariana sy ny fiaianam-bahoaka andaniny tapitra potika ! Latsaka an-katerena ny Firenena, atao toy ny mitantanana « épicerie », ka ny vola tokony hanaovana zavatra hafa toy ny fananganana sekoly lasa hanodinana ny Jirama noho ny tsy firindram-pitantanana sy tsy nisian’ny tsinjo lavitra. Midika fa betsaka ny sehatra hafa vao mainka hihen-danja sy hikoroso fahana. Arakaraka ny zavatra miseho sy mitranga ny fanapahan-kevitra sy ny fitantanam-bola. Handaniana 1 miliara Ar ho an’ny Jirama ka mandra-pahoviana no hahavita an’io ? Toa efa manomboka miverimberina indray mantsy ny fahatapahana amin’ny atoandro tsy ampy herinandro akory ! Moa raha ny vola nafafy hatrizay ve no nanaovana tetikasa angovo amin’ny herin’ny masoandro mahaleotena isan-tokantrano sy tetikasa momba ny rano tsy mba efa nivaha tamin’ny ampahany ny olana ?
MIHA SEMPOTRA, FAMPALAZANA TENA NO BETSAKA !
Miharihary ny krizy amin’ny endriny maro, miha sempotra ara-bola ny fitondram-panjakana, eo ambany fanaraha-maso sy fifehezan’ny mpiara-miombon’antoka ara-bola sy ara-teknika na PTF, ka ny tetibolam-panjakana aza toa ireo no manome ny toromarika, ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana nokantsanana 3400 miliara teo mitaha ny tamin’ny taon-dasa,… Dia io iaraha-mahita io, fa ny olana etsy tsy mivaha, ny etsy misosoka,... Tsy misy fitantanana mahomby intsony, fa « marketing politique » arakaraka ny tsio-drivotra misy ka raha nolazaina tany aloha fa ny artemesia no mampidi-bola kokoa noho ny vary dia izao ezahana voizina indray ny tontolon’ny fambolena hanatrararana ny fahaleovantena ara-tsakafo amin’ny vary safiotra sinoa izay lasa bizim-pitondrana. Manampy trotraka ny tsy fahaiza-mijery ny laharam-pahamehana ka io iaraha-mahita io hoe : manana teleferika 151 tapitrisa euros, manana kianja 77 tapitrisa dolara, fa tsy ampy rano, tsy ampy jiro, tsy ampy sakafo ny Malagasy ! Tsy misy antenaina firy amin’ny fitondrana fa vao mainka aza miharatsy. Ho vitan’ny Malagasy ve no hiaina sy hiaritra an’izao ao anatin’ny 5 taona manaraka ?
Toky R

 

Dans la même rubrique

17-janv-2025

Hivoaka anio 17 janoary amin’ny 10 ora maraina etsy amin’ny Tribunal Admnisitratif Anosy

Card image cap
17-janv-2025

Efa anaty krizy izao i Madagasikara, hoy ny mpanao politika sady mpahailalàna, Alain Mahavimbina.

Card image cap
17-janv-2025

Manomboka miverina sy mifoha ny resaka fitakiana ny famoahana ireo gadra politika amin’izao

Card image cap
17-janv-2025

Tsy natao hanakorontana na hanimba zavatra ny fanoherana, hoy ny antoko politika FLN na «Front de libération national».

Card image cap
17-janv-2025

Foto-pisainan’ny antoko politika FLN na «Front de libération nationale» ny hoe tsy misy vahoaka resy amin’ny taniny,

Card image cap
17-janv-2025

Tena manahirana ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny, hoy ny antoko politika Maeva na Madagasikara

Card image cap