voafidy tamin’ny isam-bato 65,71% na tsy nanao propagandy aza. Voatery misitrika, ka nametrahana PDS, saingy manao fanoherana eny amin’ny Fitsarana ny ben’ny tanàna voafidy, manohitra izay fametrahana PDS izay. Mafanafana ao Antsiranana amin’ny tsy fanekena ny fanitsakitsahana safidim-bahoaka. Betsaka ireo mpanao politika maneho fa tena tafiditra amin’ny jadona tanteraka ny Firenena, mandrovi-tsihy ny Fitondrana, vao mainka handrehitra afo izao,… Anisan’ny niteraka fanehoan-kevitra samihafa ny nisamborana an-dRadovola Rakorobe omaly 10 febroary 2025. « Hajao ny safidim-bahoaka, tsy azo ekena ny halabato sy ny bodongerina atao amin'ny vahoakan'Antsiranana izay naneho ny safidiny ka nandany ny kandida Jean Luc Djavojozara . Izao fihetsika bontolo ataonareo mpitondra izao no manaporofo fa tsy misy irarahianareo izay demokrasia sy fitsinjaram-pahefana izany na Kely ary. Mankahery an'i Maire Jean Luc Djavojozara sy ianareo vahoakan'Antsiranana.", hoy ny fanehoan-kevitr’i Hajo Andrianainarivelo Filohan’ny Antoko Malagasy Miara-Miainga na ny MMM. « Voasambotry ny zandary hono i rasta. Tonga irery nanoloana ny Hotel de ville Diego izy niantso ny mponina hanohana ny maire voafidy ary mandà ny fametrahana PDS. Mbola vao izy irery no tonga dia voasambotra. Hitondra fitoniana ve izany? Tsy haiko aloha fa izaho manao hoe vao maika hampiakatra hatezerana », hoy ny depiote teo aloha Paul Bert Rahasimanana na Rossy. "Voasambotra i Radovola Rakotobe rehefa niantso hetsika fanoherana ny fanendrena ny Filohan'ny Delegasiona Manokana (PDS) ! Tena fanjakana mandrovitsihy no misy eto... Dictature!", hoy kosa ny depiote voafidy tao Mahajanga Voalohany Afakandro Christian.
Toky R
Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,
Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany
Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,
Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,
hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra
Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,