airtel

Politique

01-sept-2023

Fisehoan’ny filoha ankehitriny

fampanoavana

Sample post image

Mbola tsy voarain’ny Fitsarana, hoy ny Minisitra

01-sept-2023

Taorian’ny Tonia mpampanoa lalàna eo anivon’ny Fitsarana ambaratonga voalohany, dia ny minisitry ny Fitsarana Rtoa Landy Mbolatiana Randriamanantenasoa indray no naneho omaly, fa tsy mbola misy raharaha voaray eny anivon'ny Fitsarana mikasika ny fisehoan’ny Filoha Rajoelina fitsarana amin’ny 06 septambra. Nanamafy fa tsy naharay dika mitovy amin'ny alalan'ny fampiatsoana vaditany mikasika ny fizakana zom-pirenena ny minisiteran'ny Fitsarana. Nohamafisina fa araka ny fanambaran'ny tonia mpampanoa lalàna eo amin'ny fitsarana ambaratonga voalohany eto Antananarivo dia tsy nanao fampiantsoana ny Filohan'ny Repoblika ny tenany mba hiseho eo anatrehan'ny fitsarana ambaratonga voalohany ka hilazany na manana na tsia ny zom-pirenena Malagasy. “Ny raharaha mahakasika zom-pirenena araka ny hita ao amin'ny andininy faha 76 anaty didy hitsy volana mikasika izany dia milaza fa tsy maintsy atao amin'ny alalan'ny "assignation" na fampiantsoana amin'ny alalan'ny vaditany. Ary ny dika mitovy amin'ilay fangatahana dia aterina any amin'ny minisiteran'ny Fitsarana. Ny olom-pirenena voakasika na ny tonia mpampanoa lalàna (Procureur de la République) irery ihany no afaka manao ny fangatahana milaza fa mizaka ny zom-pirenena Malagasy ny olom-pirenena iray na tsia araka ny didy hitsy volana laharana 60-004 tam 20 jolay 1960 ary nasiam-panovana araka ny lalàna 2016-038 izay mifehy ny zom-pirenena Malagasy, araka ny andininy faha-71 amin’io, hoy ny fanazavan’ny minisitra. Ny andininy faha 72 dia milaza fa ny tonia mpampanoa lalàna irery ihany no afaka manao izay fangatahana izay eo anivon'ny Fitsarana ambaratonga voalohany mitsara amin'ny ady madio hilazana na manana na tsia ny zom-pirenena ny olona iray”, hoy hatrany ny fanazavana. Nohamafisiny fa olona roa ihany, na ilay olom-pirenena mahatsiaro tena ho voakasika no manantona ny fitsarana ka mangataka ny filazana na manana zom-pirenena na tsia, n any Tonia mpampanoa lalàna, fa tsy Rakoto na Rabe, tsy izay rehetra te hanao fangatahana, hoy hatrany io Minisitra io. Andaniny Rtoa Fanirisoa Ernaivo izay mpitory dia naneho taorian’ilay fanambaran’ny tonia mpampano lalàna hoe: “Tsy tonia mpampanoa lalàna velively no nanao “assignation” fa izy kosa dia “saisie” na nampahafantaraina soa aman-tsara koa ary “assignation” ho an'ny Fampanoavana sy Andry Rajoelina io nataonay io... Aoka tsy avadibadika ny resaka Rtoa mpampanoa lalàna fa sady efa voaray tao amin 'ny fampanoavana no voaray tany amin'ny minisitera ny “assignation”! Amin’ny 06 aogositra isika mifankahita any amin'ny fitsarana! Anidininy faha 72 miampy ny andininy faha-67,68,75 afaka vakiana miaraka daholo”, hoy io Filohan’ny Sendikan’ny mpitsara teo aloha io. Izy izay naneho fa manohintohina ny fitsarana ny tonia mpampanoa lalàna tsy mandefa ny fitoriana nataon’izy ireo. Hanao ahoana ny tohiny?
Toky R

 

Dans la même rubrique

21-mai-2025

Tsy mitsahatra ny manaraka ny fivoaran’ny toe-draharaham-pirenena misy eto amintsika ny

Card image cap
21-mai-2025

Taorian’ny fitsarana teny amin’ny Filankevi-panjakana na « Conseil d’Etat »

Card image cap
21-mai-2025

Araka ny efa nampoizina, notsipahan’ny Birao maharitry ny Antenimieramierampirenena

Card image cap
20-mai-2025

Andrasana anio 20 mey 2025 etsy amin’ny Antenimierampirenena ny Minisitra miisa 3

Card image cap
20-mai-2025

eto ny mpandraharaha any ivelany»

Card image cap
20-mai-2025

Manoloana ny resaka aely ao amin'ny kaominin’i Talata Volonondry mikasika ny

Card image cap