airtel

Politique

23-févr-2023

Politique

Fisorohana krizy “Mila averina toy ny tamin’ny 2013 ny CENI”

Sample post image

Misy krizy miverimberina na “cyclique” teto Madagasikara, izay niainga tamina krizin’ny olompirenena, hoy ny depiote voafidy tao Toamasina I, Roland Ratsiraka,

23-févr-2023

namory depiote namana sy mpisehatra politika maromaro tetsy amin’ny Radisson Blu Ambodivona omaly. Ny olona tsinona, hoy izy, tsy te handray anjara amina fifidianana dia eo ny krizim-pifidianana. Mba hisorohana amin’izay dia tsy maintsy havaozintsika ny CENI. Mila haverina toy ny tamin’ny 2013. Ity izany tena lalindalina kokoa ary mametraka tsara hoe tsy maintsy olona manana traikefa 12 taona tanatina fifidianana, mpikamban’ny sendikan’ny administratera sivily, sendikan’ny mpitsara sy ny toy izany no anatin’ilay izy. Andininy miisa 7 tamin’ny 118 no nivaly tao anatin’izay fitakiana izay. Mametraka tsara ireo andininy 7 ireo fa mahaleotena, mahavita azy ilay CENI ary ho eken’ny rehetra. Ho ampidirinay anaty antenimieram-pirenena ity tolo-dalàna ity. Ny CENI izao nangataka ny hevitry ny HCC nefa tsy azony atao mihitsy izany. Tsy ara-dalàna izany. Hitantsika fa tsy mandeha amin’ny laoniny izao ny fanaovana lisi-pifidianana. Tsy hananan-drizareo ilay fahaiza-manao. Aleo apetraka ity ary tsy maintsy iadiana mba ho lasa. Fantam-poko, fantam-pirenena fa raha vao manao ny tsy mety eo zareo dia hidina an-dalambe ny olona. Hisy krizy dia tsy maintsy miverina amin’ity foana isika, hoy hatrany ny tenany sy ireo mpiaradia aminy.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,

Card image cap
30-mai-2025

Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany

Card image cap
30-mai-2025

Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,

Card image cap
30-mai-2025

Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,

Card image cap
28-mai-2025

hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra

Card image cap
28-mai-2025

Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,

Card image cap