airtel

Politique

27-sept-2023

Fitadiavam-bahaolana tarihin’ny FFKM

Nanamafy ny fahavononany ireo kandida tonga

Sample post image

Nisy indray omaly 26 septambra 2023 ny fihaonana niarahan’ireo Filoham-piangonana miisa 4 ao anatin’ny FFKM

27-sept-2023

tamin’ireo kandida ho Filoham-pirenena omaly. Ny FFKM no nampiantso, ary samy nanaovana izany avokoa ny kandida miisa 13, saingy tsy isan’ireo tonga tahaka ny efa fahita mahazatra ny kandida Andry Rajoelina. Nanomboka tamin’ny 5 ora hariva ity fihaonana ity teny Ampandrana, ka tonga avokoa ny kandida miisa 12, raha toa ka solontena kosa no nalefan’ny kandida laharana fahatelo Andry Rajoelina. Nakatona avy hatrany ny efitrano vao tafiditra izy ireo, vao nanomboka dia nivoaka Atoa Augustin Andriamananoro solontenan’i Andry Rajoelina, nijanona minitra vitsy teo an-dalan-tsara, ary lasa nandeha tanteraka avy eo. Voalaza fa tsy nankatoavin’ireo kandida satria tokony ho ny kandida sy ny FFKM ihany fa tsy solontena. Nilaza noho izany io olon-dRajoelina io, fa nisy fandaminana dia hampitaina eo ihany ny dinika nifanaovana tao. 20 minitra taorian’izay, dia niverina indray, saingy nivoaka avy eo satria voalaza fa nanamafy ireo kandida maro, fa tokony ho samy ny kandida. “Nisy ny antso izay nifanaovana tamin’ireo tompon’andrikitra Raiamandrenim-piangonana. Nifampiresahana fa afaka mandefa solontena ka ny tenako tonga teto. Nisy fandaminana vaovao nifampierana tamin’ny mpikatroka. Noho izay dia avela izy ireo fa hisintaka kely, manaja ny fifandaminana”, hoy I Augustin Andriamananoro. Nilaza ny tenany, fa nekena ny fandefasana solontena saingy niova avy eo. Tamin’ny 8ora alina no tapitra tanteraka ny fihaonana nikaton-trano, saingy nisafidy hatrany ny tsy hanao fanambarana ireo kandida rehefa nivoaka avy tao. Nisy kosa ny tatitra fohy nataon’ny Filohan’ny FFKM Mpitandrina Irako Ami Andriamahazoso, izahy naneho, fa Misaotra an’Andriamanitra nahafahana nanohy ny fifampidinihana hikatsaham-bahaolana ho an’ny firenena. Niantso ny kandida 13 ny FFKM, ny kandida no nantsoina, fa mbola mety hisy fotoana mety hilana ny solontenan’ny kandida. Tao anatin’ny resaka, vonona ny rehetra hanohy ny fifampidinihana ka ny tombotsoa ambonin’ny firenena no apetraka ho ambony, hoy ny fampahafantarana fohy nataon’ny Filohan’ny FFKM. Samy miandry hatrany izay ho fivoarany satria voalaza fa mbola hitohy ny dinika.
Toky R

 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,

Card image cap
30-mai-2025

Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany

Card image cap
30-mai-2025

Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,

Card image cap
30-mai-2025

Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,

Card image cap
28-mai-2025

hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra

Card image cap
28-mai-2025

Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,

Card image cap