airtel

Politique

14-avril-2026

Fitakiana fandravana andrim-panjakana

Nandamin-dresaka ny Praiminisitra…

Sample post image

Ny fikaonandoham-pirenena

14-avril-2026

dia efa misy drafitra eo anivon’ny Minisiteran’ny fanavaozana. Tsy maintsy hisy fanovana satria miova ny toe-draharaha, hatao mangaraharaha. Eo anatrehan’ny fitakian’ny tanora ny fandravana ny antenimierampirenena kosa, milaza ny Praiminisitra fa mila atao anatin’ny fandaharan-dalàna izany. « Ny zavatra atao dia atao anaty lalàna daholo. Isika izao ao anaty lalàmpanorenana noho ilay fanapahan-kevitra laharana faha-10 nataon’ny HCC. Mandeha ny raharaham-pirenena ary anaty fanavaozana isika. Ao anatin’ny lalàna saingy mila mifampiresaka », hoy ny Praiminisitra. Nandray ny Gen Z ny zoma lasa teo, ka milaza ny Praiminisitra fa handray azy ireo amin’ny faramparan’ny aprily. Betsaka ny karazana Gen Z, dia samy manome solontena ka hifandray sy tena hifampiresaka, araka ny kolontsaina Malagasy izay nambarany fa tsy misy tsy vitan’ny fifampiresahana. Somary mafampana moa ny adihevitra manodidina ny fitakian’ny Gen Z sasany izay mitaky ny fandravana ireo andrim-panjakana toy ny antenimierampirenena, HCC, CENI,… ka olobe 3 eto amin’ny Firenena izany izao no efa samy nitondra setriny eo anatrehan’io, dia ny Filoham-panjakana, ny Filohan’ny Antenimierampirenena, ny Praiminisitra lehiben’ny governemanta. Somary nasiatsiaka fiteny iretsy roa voalohany, raha toa ka somary mandamina kosa ity farany.
Toky R

 

Dans la même rubrique

05-juin-2026

hidina any amin'ny Fokontany nihaviany avy

Card image cap
05-juin-2026

hafaingano ny fikaonandoham-pirenena"

Card image cap
05-juin-2026

mandroso any amin’ny fanavaozana»

Card image cap
04-juin-2026

Naneho ny fankasitrahany ny fitondram-panjakana

Card image cap
04-juin-2026

Aoka ny tombotsoa ambonin’ny Firenena no hokatsahina »

Card image cap