hoy ny Minisitry ny raharaham-bahiny Rtoa Rasata Rafaravavitafika omaly, raha nampiantso mpanao gazety izay metimety amin’ny Fitondrana. Nambara fa tsy nisy filazana avy amin’ny fanjakana Malagasy fa tsy ho takiana ny fiandrianam-pirenena amin’ireo nosy ireo. Karazana setriny sy fanazavan-tsaina tian’ny Fitondrana Rajoelina hatao nanoloana ny fanambarana nataon’ny filoha frantsay Emmanuel Macron, izay nilaza fa hanao fiaraha-mitantana fa tsy hamerina ireo Îles Éparses. Tsy miova araka izany fa mitohy ihany ny fitakian'i Madagasikara mikasika ny famerenana azy ireo, izay hoentin’ny delegasiona Malagasy any Paris amin’ny fivorian’ny "commission mixte", hifampidinihan'ny firenena roa tonta amin'ny 30 jona ho avy izao, araka ny efa nambaran'i Emmanuel Macron, hoy ny fampahatsiahivan’ny Fitondrana. Ny taona 1970 I Madagasikara no nitaky ireo nosy ireo izay nosy tafiditra tanteraka ao anatin’ny faritanin’I Madagasikara. Tsy mbola nitsahatra ny fitakiana ary manamafy izany ankehitriny ny fotondram-panjakana Malagasy raha ny nambaran’ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rasata Rafaravavitafika. Samy manana ny fomba fijeriny ny andaniny sy ny ankilany fa tsy miova ny fomba fijerin’ny fanjakana Malagasy hoy izy. Na izany aza, fandemen-tsaina ataon’ny mpitondra ankehitriny izay tsy sahy nikofoka teo anatrehan’i Emmanuel Macron no misy, ary efa nadio ny rano nitany, efa nangingina ny akon’ny diany sy ny fivorian’ny COI vao mandeha ny seraseran’ny Mpitondra ?
MIFITSAKA AMIN’I LAFRANTSA NY VOLOMBOASARY!
Efa betsaka ireo dingana nataon’ny Frantsay mikasika ireo Nosy ireo, toy ny fanambarana nataon’i Emmanuel Macron tao amin’ny Nosy Glorieuses ny taona 2019 hoe : « ici c’est la France », ny namoahana didim-panjakana mamaritra fa havadika ho tahiry ara-boajanahary ireo Nosy ireo, tsy havela hopotehin’i Madagasikara, ary efa ao ny miaramila miaro azy,… Betsaka ireo dingana araka ny lalàna hatrany amin’ny Antenimierandoholona Frantsay mikasika ireo Nosy ireo, fa tsy nisy na iray aza nataon’ny andrim-panjakana teto Madagasikara afatsy ilay fiarahana misotro CVO sy fihirana hiram-pitolomana nataon’ny depiote IRMAR teo anatrehan’ny filazan’i Andry Rajoelina ny mey 2020 hoe : tsy mila fiaraha-mitantana fa famerenana manontolo no takiana. Nisy Vondron’olona sy Vondrona manam-pahaizana toa an-dry Profesora James Ratsima izay efa nodimandry, ny senatera teo aloha Joseph Yoland, Profesora Rasolofo René,… nanolotra volavolan-dalàna tamin’ireo andrim-panjakana mpanao lalàna teto amintsika tany amin’ny taona 2021 fa tsy noraharahian’ny fitondrana Rajoelina. Ny Filohan’i Comores sahy nanatsikafona teo imason’i Emmanuel Macron sy Filoham-pirenena ao anatin’ny COI izay nanakoako eran-tany fa manitsakitsaka ny lalàna Iraisam-pirenena i Lafrantsa, raha toa ka nipasopasoka resaka ny fitondrana. Dia inona no antenaina amin’ny fihaonana amin’ny 30 jona izay any Lafrantsa ? Inona no antenaina amin’ny Filoham-pirenena mizaka zom-pirenena Frantsay ?
Toky R
Raikitra indray ny fanamboarana serasera sy fanehoana fa tena akaikin’ny vahoakan’ny Fitondrana Rajoelina.
Haka fahefàna sy hitondra firenena no tanjon’ny antoko politika, hoy ny antoko politika Fanare.
Toy izao ny fomba nialan’i Kolonely Patrick Rakotomamonjy tao amin’ny Toby tamin’ny
Hanao filankevitry ny Minisitra mitety faritra indray ny Fanjakana Rajoelina amin’ity anio alarobia 13 mey 2025 ity,
Tsy any amin’ny hoe harena tokony ho trandrahana loatra ny Base Toliara
Ny « Directeur de la Police Judiciare » na DPJ eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena Colonel Tahiana Ravelomanana