airtel

Politique

05-juil-2023

Politique

Fitantanana kitoatoa Izao ve vao mikaon-doha momba ny fitsinjaram-pahefana ?

Sample post image

Raikitra ny fikaonan-doham-pirenena momba ny fitsinjaram-pahefana miabo, nanamarihana ny fankatoavana ny PNDE (Plan National de la Décentralisation Emergente).

05-juil-2023

Amin’ny lafiny iray, tena zava-dehibe izany, fa rehefa zohiana, tonga amin’ilay fitenenana hoe : “lasa ny alika vao manangom-bato” satria tany amin’ny fiandohan’ny taom-piasana izany no napetraka, ary miainga aminy ny fandrafetana ny tetibolam-panjakana. Hatreto, lasa entam-barotra politika ny firesahana fitsinjaram-pahefana, fa ny fomba fiasa sy ny fihetsika ny mpitondra, dia tsy hahatarafana an’io firy. Vao miresaka fitsinjaram-pahefana, dia tokony hiara-dàlana amin’izany hatrany ny fitsinjarana ara-bola, fa tsy mivangongo any amin’ny fitondrana foibe hatrany, ka zara raha misy na hiviny monja no tonga any amin’ireo rafitra ifotony. Ohatra efa famerimberintsika matetika ny hoe : zara raha 50,08 miliara Ar ny vola hoenti-manohana ny kaominina 1695 manerana ny Nosy amin’ilay 30 tapitrisa Ar isaky ny kaominina isan-taona, kanefa ny tetibolana minisitera misy mahatratra 1000 miliara Ar, izany hoe : mandany 2,7 miliara Ar isan’andro, raha kajiana. Fizarana moto ho an’ny ben’ny tanàna aty amin’ny faran’ny taom-piasana ve no atao hoe : fitsinjaram-pahefana ? Notapahana tao anatin’ny Filankevitry ny Minisitra ny fanngatahana faritra faha-24 fa efa milamina ve ny vola iasany eo anatrehan’ny tsy fikitihana ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana ? Voafaritry ny lalàmpanorenana andininy faha-154 fa fidiana ny Lehiben’ny Faritra fa hatramin’izao tsy misy an’izany ary novaina ho governora izay olona tendrena.

TSY HETAHETAM-BAHOAKA FA REVIREVIN’NY MPITONDRA

Ny vina sy programa hoenti-mitantanana ny firenena tsy miainga amin’ny hetaheta sy ny filàn’ny firenena avy any ifotony, fa mandeha amin’izay maharevorevo ny mpitondra. Ohatra mivaingana amin’izany ny kitaitaitra hoe : nahomby tany amin’ny CAN 2019 ny Barean’i Madagasikara, dia iny fa lasa laharam-pahamehana ny manangana kianja manara-penitra handaniana vola tsy toko tsy forohana satria azo lalaovina amin’ny politika ny baolina kitra noho izy mahasintona olona. Nitondra inona tamin’ny firenena ny fandaniana 77 tapitrisa dolara nanaovana ny Kianja Barea? Hiazakazahana ny manao kianja any amin’ny renivohi-paritany sy tanàn-dehibe sasany fa moa tena marin-toerana sy mandroso ny kitra Malagasy? Adihevitra ny fitrosana 150 tapitrisa euros mahery hanaovana teleferika eto Antananarivo, izay ny fifanarahana tany an-dafy no mandeha aloha ary hampanekena ny andrim-panjakana mpanao lalàna fotsiny avy eo. Tsy ratsy izany fa izay ve no tena maika? Lasa haingo ambony tsikoko satria ny làlam-pirenena tapitra potika, ny tena fiainam-bahoaka tsy voajery,… fa fivarotana nofinofy sy zavatra mamirapiratra no betsaka. Ny fitsinjaram-pahefana resahana hatrany, kanefa toa salovanin’ny rafitra aty ambony miainga any amin’ny Filoham-pirenena, olon-tokana no tiana hasongadina, hany ka hatramin’ny fitokanana fampiadiana akoho aza hanasongadinana ny filoha,.. Ohatra iray hafa ny nanagiazan’ny Fanjakana ny anjara tamberim-bidin’ireo kaominina manodidina an’Ambatovy, ary notapahana tato aoriana fa tsy maintsy mandalo fankatoavana avy amin’ny Fanjakana foibe ny tetikasa hoenti-mampiasa ny vola,… Izany ve no atao hoe: fitsinjaram-pahefana ?

Toky R

 

Dans la même rubrique

21-mai-2025

Tsy mitsahatra ny manaraka ny fivoaran’ny toe-draharaham-pirenena misy eto amintsika ny

Card image cap
21-mai-2025

Taorian’ny fitsarana teny amin’ny Filankevi-panjakana na « Conseil d’Etat »

Card image cap
21-mai-2025

Araka ny efa nampoizina, notsipahan’ny Birao maharitry ny Antenimieramierampirenena

Card image cap
20-mai-2025

Andrasana anio 20 mey 2025 etsy amin’ny Antenimierampirenena ny Minisitra miisa 3

Card image cap
20-mai-2025

eto ny mpandraharaha any ivelany»

Card image cap
20-mai-2025

Manoloana ny resaka aely ao amin'ny kaominin’i Talata Volonondry mikasika ny

Card image cap