airtel

Politique

28-mai-2026

Fitantanana ny fifidianana

Hanomboka anio ny fanavaozana

Sample post image

ny lisitry ny mpifidy

28-mai-2026

Noresahin’ny Filohan’ny CENI ihany koa fa hanomboka anio 28 may 2026 ny fanavaozana manontolo ny lisitry ny mpifidy. Ny Vaomieram-pirenena mahaleotena momba ny fifidianana na CENI no hikarakara azy. Efa nivoaka ny didim-panjakana manendry io rafitra io hisahana izany. Raharaham-panjakana moa ny fifidianana ka tsy afa-miala amin'izany fanjakana. 34,5 lavitr’isa Ariary (34 5000 000 Ar) , izay voasoratra ao amin’ny teti-bolam-panjakana taona 2026. "Ampy hiatrehina ny fanavaozana manontolo ny lisitry ny mpifidy io", hoy Rakotonarivo Thierry, filohan'ny CENI. Vonona kosa mpiara-miombon’antoka iraisam-pirenana amin’ny fanampiana ara-teknika, ara-pitaovana ary fampizarana traikefa amin’izany. Araka ny fanazavan'ny filohan'ny CENI dia miisa dimy ireo fomba hahafahan’ny olompirenena misoratra ao anaty lisitry ny mpifidy : ny fitetezana tokantrano, ny fanatonana biraom-pokontany, ny fisoratana anarana an-jotra (fampiasana tranokala sy application) ary ny fiarahamiasa amin’ny delegem-panjakana. Hisy fitsirihina ny lisitry ny mpifidy, ataon’ireo teknisianina avy eto an-toerana sy avy any ivelany amin’izany. Manana andraikitra lehibe ihany koa anefa ny antoko politika sy ny firaisamonim-pirenena amin’ny fandrafetana ny lisitra. Manana solontena roa hiditra ao amin’ny CLRE na ny komity mpanisa mpifidy izy ireo.
Jean D.
 

Dans la même rubrique

28-mai-2026

Mitety ireo Fokontany 192 maka ny hevitry ny vahoaka

Card image cap
28-mai-2026

an’ilay politika efa nampahantra ve?»

Card image cap
26-mai-2026

Fotoana hanehoan'ny Malagasy firaisankina

Card image cap
26-mai-2026

tenierana ny amin'izay hifampitondrana eto

Card image cap