airtel

Politique

30-juin-2023

Politique

Fitantanana tsy milamina Mamaha ny olana ara-tsosialy ve ny vato fototra ?

Sample post image

Misy ny fitanisana fa nahavita fotodrafitrasa maro mariky ny Fanjakana manakaiky vahoaka ny fitondrana Rajoelina.

30-juin-2023

Tany amin’ny fiandohan’ity taona 2023 ity, nambara fa hatsahatra ny fanaovana fotodrafitrasa fa hifantoka amin’ny sosialim-bahoaka indray. Asa sosialim-bahoaka tahaka ny inona sa ilay fizarana “riz cantonais” tamin’ny toerana sasantsasany izay ny Filoham-pirenena mihitsy no nitarika izany? Akaiky ny fifidianana anefa ny fifidianana, ka mitosaka hatrany ny filazana fa hanao an’izao sy izao. Ho an’Antananarivo Atsimondrano, ny volana martsa lasa teo no nampanantena, fa hanangana kianja vaovao, ary hanombinan’ny Filoha Rajoelina ny tanin’ny Lapan’Iavoloha hanaovana izany raha ny nambarany.
NY EO TSY, NY EO ASISIKA IHANY
Io indray teny Itaosy omaly, nambara fa hatomboka ny asa fanamboarana ny hopitaly manara-penitra. Ny eo tsy vita, ny eo misosoka ihany. Ny 14 jona, notaterina tao amin’ny filankevitry ny minisitra fa nisy fikitihana ny tetibola anatin'ny Minisiteran'ny fahasalamam-bahoaka mba hisy ampahany hampiasaina hanohizana sy hamitana ny asa fanamboarana ny hopitaly manarapenitra miisa 13 natomboka ny taona 2019, ny hopitaly manarapenitra miisa 15 natomboka ny taona 2022, ny Hopitaly manarapenitra Ihosy, ary ny tobim-pahasalamana CSB miisa 44 natomboka ny taona 2022. Tsy nilamina hatrany am-boalohany izany ny tetibola hanaovana manara-penitra fa eny an-dalana mahita azy fa ny zava-dehibe dia ny fametrahana vato fototra sy fanombohan’ny asa? Marina fa nisy ireo fotodrafitrasa maro vita fa nanao ahoana ny fiainam-bahoaka? Manao ahoana ny toekarena? Saika ireo asana departemanta ministerialy aloha no asa vita raha resaka fotodrafitrasa, fa ireo fandaharan’asa goavana nampanantenaina tamin’ny propagandy na tao anatin’ny fotoam-piasana toa nanjavona na zara raha nihetsika. Ny famitana ny RN13 izay ampahany mirefy 109 km amin’ny 496km no mandeha hatreto, toa ianteherana amin’ny orinasa QMM. Ny fanatanterahana ny làlam-be migodana 265 km mankany Toamasina toa mampanahy ny tsy hahavitan’ilay 80 km hatramin’ny faran’ity taona ity; ny Flyover etsy Anosizato sy Ampasika mbola nofinofy; ny Tanamasoandro tsy hita izay niafarany ka ny lalaon’ny Nosy nolazaina hatao any aza mikorontana ambony ambany ny fanomanana, ny olan’ny angovo izay tena ain’ny toekarena poakaty ilay 400MW tao anatin’ny 5 taona,… Aty amin’ny faran’ny taom-piasana, mitosaka tanteraka ny fampanantenana, hany ka ny an-tratra tsy lavo dia antsoy ihany koa Rainilahibe. Efa tamin’ny fitondrana tetezamia (200 – 2014) i Andry Rajoelina sy ny ekipany no nivoy ny fanorenana fotodrafitrasa ambara fa manara-penitra, fa moa ve nahafahana nanadr’sy ny fahantrana mianjady isan-tokantrano izany ? Ilay tahan’ny fahantrana efa mba 70 % tamin’ny 2008, lasa 90% amin’izao 2023 izao.Ny fahantrana no lasa manara-penitra izany !
Toky R
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,

Card image cap
30-mai-2025

Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany

Card image cap
30-mai-2025

Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,

Card image cap
30-mai-2025

Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,

Card image cap
28-mai-2025

hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra

Card image cap
28-mai-2025

Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,

Card image cap