Endrika iray fotsiny iny resaka antontan’isa nilazany hoe: “ny ahy no tena marina”, fa efa taratry ny fitondran-tena ara-politikany hatramin’izay sy nahafantarana azy io toa lavitry ny fanetren-tena. Nireharehany fatratra fa nahavita EPP, CEG, Lisea maro nanerana ny Nosy izy, saingy ny tenany ihany avy eo no milaza fa naka zom-pirenena Frantsay izy hoentiny manamora ny fampianarana ny zanany any Lafrantsa. Eo ny herijika ananany hampiana-janaka any ivelany izay tsy hanomezan-tsiny azy, fa endrika iray ihany koa io maneho fa tsy atokisany hahatafita ny zanany ny fampianarana eto Madagasikara. Miresaka fampianarana ihany, dia endrika ivelany no ezahina asongadina, fa ny tena votoatiny marary. Io iaraha-mahalala io eny anivon’ny fampianarana ambony izay hiditra amin’ny Fivoriam-be indray ny mpampianatra-mpikaroka sy mpikaroka-mpampianatra na ny SECES anio eny amin’ny oniversiten’Antananarivo noho ny olana tsy voavaha an-taonany. Nalaina ihany koa ireo “jury” tamin’ny bakalorea hany ka voatery nanao antso ho an’izay vonona ny Oniversiten’Antananarivo. Tsy marisika ny olona satria mitarazoka mety hahatratra hatrany amin’ny telo taona ny fandoavana ny “vacation”,…
FANAMARINAN-TENA RANOLAVA
Endrika maneho ireny fa marary ny fampianarana na takonana amin’ny endrika ivelany. Ara-toekarena sy sosialy, efa tsy fahombiazana miharihary izao, fa sahiny ny milaza fa nahay nitantana izy. Ny tahan’ny fahantrana disoiny ny voalazan’ny Banky iraisam-pirenena, ka nataony 75% ny 81,1%, ny vola efa mitotongana ambony ambany tsy mbola nisy an’izao teo amin’ny tantara satria efa sandaina 5000 Ariary ny 1euro, saingy nambarany fa raha tsy nahay nitantana izy efa 10000Ar io amin’izao. Niainga teo amin’ny 2009 sy ny tetezamita no nanomboka tena latsaka an-davaka ny firenena, saingy tsy hisy hanaiky diso izany eo, fa hana sorona ny firenena noho ny fitiavam-pahefana sy ny hambo-po diso toerana aza mbola hatao? Henjana ary tsy hatoro voanjo hadiana amin’ny fiarovan-tena sy fialana bala amin’ny tsy fahombiazana. Tsy dia hita taratra ny fahintsiana sy ny fitazonana ny teny nomena, fa ny fanodinan-dresaka any amin’ny zavatra hafa na fampanantenana no setriny eo anatrehan’ny tsy fahombiazana. Anjaran’ny Malagasy no maka lesona, fa ny tànana efa zatra mitsotra tsy hiova intsony. Na tsy mbola namaly sy nanambara ny haha kandida azy na tsia aza I Andry Rajoelina, ny fanadiovan-tenany, ny firesany sy ny fihetsiny ny zavatra ataony, dia toa maneho fa hirotsaka ary tsy hanaiky hiala mora raha resy, raha tsy hoe: misy angaha ny tsindry goavana hoe: mijanona sy mivoaha amin’ny varavarana lehibe. Taratasy kely 8sm kely aty am-paosiko ve no hanesoranareo ny maha Malagasy ahy, hoy izy. Alaivo sary an-tsaina anie mpanao politika avy amin’ny fanoherana e! Milaza fa tia tanindrazana ary vonona ho faty ho an’I Madagasikara. Sao dia mba vonona hanao sorona an’I Madagasikara indray ?
Toky R
Hitafa amin'ny vahoaka malagasy tsy ho ela ny filoha Rajoelina hitondra vahaolana amin'ireo
Ny fanaovana politika dia tena mila kajy, hoy ny mpahaifiarahamonina politika sady filohan’ny antoko politika Ny Fireneko, Paul Rabary.
Azo lazaina ho fisehoana politika voalohany ho an’i Tojo Ravalomanana, kandida atolotry ny TIM eto Antananarivo,
Omaly alarobia 9 oktobra no natao teny amin’ireo OVEC nanerana ny nosy ny antsapaka momba ny
Ny laharana N°2 no voasarika ho an’ny kandida Tahina Razafinjoelina amin’ny fifidianana ben’ny tanàna eto
Mety hoe leo politika ny Malagasy matoa ambany foana ny taham-pandraisan’anjaran’ny mpifidy