airtel

Politique

15-nov-2022

Politique

Fitifirana mampiady hevitra Nomelohin-dRajoelina, Ravato, Hajo…

Sample post image

Raha toa ka misy ny mandray sy mieritreritra ho sinema politika ny fitifirana ny fiaran’ny ben’ny tanànan’Antananarivo,

15-nov-2022

izay voalaza fa fikasana hifofo ny ainy ny alahady teo teny anelanelan’ny Rovan’Ilafy sy Ambatobe, dia nanameloka izany kosa ireo akaiky sy mitovy loko politika aminy, fa teo ihany koa ireo olo-malaza ara-politika sy ara-pandraharahana. Nisongadina ny an’ny Filoham-pirenena izay nanambara omaly hoe: “toetra mifanohitra amin’ny kolontsaina malagasy sy ny soa toavina ny herisetra. Manameloka tanteraka izany ny tenako ary miarahaba ny ben’ny tanànan’Antananarivo, Naina Andriantsitohaina, nieren-doza . Mankahery ihany koa ny fianakaviany ary miantso ny mpitandro ny filaminana sy ireo mpanao fanadihadiana hikaroka izay tompon'antoka tamin'izao fikasana ratsy izao. Malagasy iray isika, iray rà, iray aina, mandala ny fihavanana”. Nanambara tahaka izao kosa ny mpandraharaha malaza Mamy Ravatomanga omaly: “Mifanohitra amin'ny soatoavina maha-Malagasy ary tsy azo ekena ny herisetra, na inona na inona tsy fitovian-kevitra. Manameloka tanteraka ny fifofoana aina sy ny fampiasàna herisetra ny tenako, na iza na iza no iharan'izany. Mankahery ny Ben'ny Tanànan'Antananarivo, sady miarahaba azy tsy maty fo aman'aina. Afak’omaly kosa ny an’Atoa Hajo Andrianainarivelo izay lasa aloha nanao hoe: “Manameloka tanteraka ny herisetra sy ny fifofoana aina amin'ny endriny rehetra ny tenako. Arahabaina tsy maty fo aman'aina Atoa Naina Andriatsitohaina, Ben'ny Tanànan'Antananarivo Renivohitra. Malagasy isika, manan-kasina ny soatoavina maha-malagasy antsika, voalohany amin'izany ny fihavanana”. Ity farany, izay marihina fa tsy ao anatin’ny vovonana politika miara-dia amin’ny fitondrana intsony izy sy ny antokony. Nisantantatra ny karazana ampamoaka sy fifanandrinana an-gazety teo aminy sy Atoa Lola Rasoamaharo ny hoe: misabaka ara-politika ny ben’ny tanànan’Antananarivo, ka sady miara-dia amin’Atoa Hajo Andrianainarivelo no miara-dia tsy te ho ratsy amin’ny fitondrana. Mifamahofaho tanteraka moa ny momba ity raharaha fitifirana ny ben’ny tanàna ity ka andrasana ny tohin’ny fanadihadiana hoe: iza marina no tena atidoha? Misy ambadika politika ve? Raha ny vokany miabo aloha dia niakatra ny lazan’ny ben’ny tanàna? Iza no mety hilentika sy ho tapa-doha tahaka ny tamin’ny raharaha Apollo 2021 nandetehana ireo olona voalaza fa saika hifofo ny ain’ny Filoha? Raha raisina tamin’iny, toa olona akaiky ny Filoha no tena voatonona tamin’ireny fa tsy nisy olon’ny mpanohitra? Hanao ahoana kosa ity iray ataon’ny olona vazivazy hoe: “Sedap 2022” ity ?

Toky R


 

Dans la même rubrique

22-mai-2025

Naloto tanteraka ny antenimieram-pirenena eny Tsimbazaza

Card image cap
22-mai-2025

Misy antony mazava tsara, hoy ny mpandrindra nasionalin’ny vovonan’adilahy

Card image cap
22-mai-2025

Efa tsy hilamina intsony io ao Toliara io, hoy ny filohan’ny antoko politika Natiora,

Card image cap
22-mai-2025

Avy any atsimo dia hihazo ny tapany avaratry ny Nosy avy hatrany izahay

Card image cap
22-mai-2025

Hita ho somary mba nalefaka na hoe «modéré» kokoa ny kabary nataon’andriamatoa

Card image cap
21-mai-2025

Tsy mitsahatra ny manaraka ny fivoaran’ny toe-draharaham-pirenena misy eto amintsika ny

Card image cap