Ny iray tany Tsiroanomandidy dia ny Depiote Haja Ramaherijaona izay lany tamin’ny lokon’ny IRD, nitaky ny fialan’ny governoran’I Bongolava Atoa Joseph Ramiaramanana. Tondroin’ity olom-boafidy ity sy ireo mpiara-dia aminy ho tsy misy fampandrosoana vanona ary betsaka ny aferam-pitantanana tsy manjary ambaran’izy ireo fa ataon-dRagôva miampy fiampangana ho mpampisara-bazana, ka dia raikitra ny fitakiana fialana. Io ihany koa fa niitatra aty Antananarivo amin’ny alalan’ny filaharam-be notarihin’ny Depiote Rahasimanana Paul Bert na Rossy noho ny raharaha OMDA. Raikitra ny fitakiana fanesorana ny Minisitra Lalatiana Rakotondrazafy. Tsara ny manamarika, fa ampangain’ny any Bongolava ho mpiray tendro amin-dRagôva ihany koa ny Minisitra Lalatiana Rakotondrazafy, ka toa lasa depiote roalahy mifanandrina amin’ny governora sy minisitra? Tondroin’I Rossy ho mpanao takalon’aina ny Filoha Rajoelina ity Minisitra ity, saingy nilaza ny tenany fa tsy tokony hatahotra azy io ny Filoha. “Izahay tsy matahotra an’io, alatsao amin’ny fifidianana io hanao amiko eto Antananarivo fa tsy misy atahorako an’io, ary ianao aza matahotra an’io fa izahay olonao ato, raha misy ilaina anay dia teneno izahay. Efa tafahoatra ny zavatra ataony ka angatahinay ny fanalanao an’io, ary rehefa tsy mety fa hoe: mafy be dia saraho roa fotsiny ny Minisitera dia aleo izy hikarakara ny mpanao gazety fa ny mpanao gazety milamina fa izahay miady an-trano. Izaho lazaina fa mangalatra, ka izaho tsy nangalatra izany nama a! Andao savaina dia ho hita eo hoe: iza no nanakarem-be tampoka ary iza no mafy ady kely”, hoy hatrany I Rossy. Andrasana moa ny mety ho tohiny sy valy bontana aoriana satria raha ny fantatra dia lasa any ivelany, miara-dia amin’ny Filoham-pirenena ny Minisitra Lalatiana Rakotondrazafy. Miharatsy hatrany ny sarin’ny Fitondrana Rajoelina, sesilany ny olana anatiny sy ny ady an-trano, kanefa ny ivelan’ny fitondrana ihany koa efa miandry handrapaka azy ireo. Efa misy depiote IRD hafa manitrikitrika ihany koa fa misy minisitra tokony hoesorina, izay mbola endrika ny fifanandrinana eo amin’ny olom-boatendry sy olom-boafidy. Toa ho sarotra ny hiitazona ny fahefana, ary mety efa ho taratry ny ho faharavana ny trangan-javatra ankehitriny.
Toky R
Andrasana anio 20 mey 2025 etsy amin’ny Antenimierampirenena ny Minisitra miisa 3
Manoloana ny resaka aely ao amin'ny kaominin’i Talata Volonondry mikasika ny
Kihon-dalana politika iray teto amin’ny Firenena sy ny antoko TIM ny raharaha 2009
Hatramin’ireo antoko politika neverina ho filamatra teto amin’ny firenena hatramin’ny repoblika voalohany