airtel

Politique

17-févr-2025

Fitondrana niorina tanaty fankahalàna

Tsy mety mahavita mitondra fampandrosoana

Sample post image

Fanehoan-kevitra heno matetika mahakasika an’i Madagasikara ny hoe tsy mety

17-févr-2025

maka lesona amin’ny tantara isika. Nifamaliana teto ny valifaty politika. Naongan’ny fitondràna vao hiditra ny taona 2002, Marc Ravalomanana, ny fitondràn’ny amiraly Didier Ratsiraka. Lojikan’izay ny taona 2009 dia nanampy ny ben’ny tanànan’Antananarivo tamin’izany, Andry Rajoelina, ity farany hanongana indray ny fitondràna Ravalomanana. Ny amiraly mihitsy moa no nivaky izany tamina haino aman-jery tsy miankina iray tamin’ny fotoan’androny. Na dia nilaza ny tenany ho nampirisihin’ny frantsay aza izy dia sarotra ny tsy hino hoe mbola nisy likiliky na otrikady politika tavela tao satria nisy fananan’ilay voahongana potika sy rava na may ihany koa. Io moa izany 16 taona izao no naharetan’ny fifanandrinana politika Rajoelina – Ravalomanana, izay malaza amin’ny resaka «deal» na fifanarahana miafina samihafa kanefa toy ny efa nambara teo ihany dia sarotra ny tsy hino hoe mbola misy likiliky politika miotrika ao ho an’ny firehana roa tonta. Mety eo amin’ireo samy mpanaradia io fa tsy voatery ho eo amin’ireo filoham-pirenena teo aloha sy ankehitriny voalaza ireo. Hatramin’izao mbola mivoy amin’ny firehana roa tonta ny fifampiantsoana hoe «foza» sy «resy lava». Heverina fa tsy hiteraka fiarahamonina tony mihitsy izany, indrindra hoe politika no resaka. Ny an’ity fitondràna ity moa izany ankehitriny dia miampy indray ny olana amin’ireto «akama taloha» nivadika tsy ho mpankato azy intsony ireto ary dia io ifandimbiasany sahiranina amin’ny lafiny maro na ampidiriny am-ponja io mihitsy. Tsy iverenana intsony ny nahazo an-dry Mbola Rajaonah, Rolly Mercia, Berija Ravelomanantsoa, Mahery Lanto Manandafy sy ny hafa tsy voatanisa. Tao anatin’ny fotoam-pifidianana teo dia ireny niaraha-nahita ireny koa ny nahazo ny mpandraharaha Andry Raobelina sy ny fanatsaràny ny Plaza Ampefiloha. Tsy nisy fihatsaràn’ny firenena nentin’izany rehetra izany anefa fa dia izao isika faran’ny mahantra eto ambonin’ny tany izao. Voaporofon’ny tantara hatramin’izao, araka izany, fa tsy mety mahavita mitondra fampandrosoana ny fitondràna niorina tanaty fankahalàna fa vao mainka aza mitondra fihemorana hatrany ho an’ny firenena.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

22-mai-2025

Naloto tanteraka ny antenimieram-pirenena eny Tsimbazaza

Card image cap
22-mai-2025

Misy antony mazava tsara, hoy ny mpandrindra nasionalin’ny vovonan’adilahy

Card image cap
22-mai-2025

Efa tsy hilamina intsony io ao Toliara io, hoy ny filohan’ny antoko politika Natiora,

Card image cap
22-mai-2025

Avy any atsimo dia hihazo ny tapany avaratry ny Nosy avy hatrany izahay

Card image cap
22-mai-2025

Hita ho somary mba nalefaka na hoe «modéré» kokoa ny kabary nataon’andriamatoa

Card image cap
21-mai-2025

Tsy mitsahatra ny manaraka ny fivoaran’ny toe-draharaham-pirenena misy eto amintsika ny

Card image cap