airtel

Politique

15-juin-2023

Politique

Fitondrana Rajoelina Mbola diplaomasia misabaka hatrany no mihatra

Sample post image

Ao anatin’ny fanamarihana ny faha-50 taonan’ny fiaraha-miasa ara-diplaomatika I Madagasikara sy Russie amin’izao fotoana izaony firenena,

15-juin-2023

ka ao anatin’izany no hanamafisana ny firahalahiana, raha ny fampitam-baovao niraisin’ny Minisitry ny raharaham-bahiny Rtoa Yvette Sylla sy ny Ambasadaoro Rosianina Andrey Vladimirovich Andreev. Nanomboka ny 29 septambra 1972 mboa tamin’ny andron’ny Firaisana Sovietika ny fifandraisana sy fifamatorana ara-diplaomatika teo amin’ny tany roa tonta. Manamafy ny fifamatorany ara-piaraha-miasa ary hivelatra amin’ny sehatra maro kokoa i Madagasikara sy Rosia, raha ny voalazan’io serasera, izay tsy dia fahita firy io. Sehatra ara-pampandrosoana maro noho izany no nolazaina fa hojerena akaiky. Nambara fa resy lahatra amin’ny maha zava-dehibe ny fanohizana ny fifanakalozana sy ny fiaraha-miasa ahafahana miroso lalina kokoa mivelatra sy misokatra amin’ny tombotsoa iraisana. Fanamby ny hiaraha-mijery ny fanamby ara-toekarena mifandraika amin’ny krizy eran-tany toy ny lafiny fahasalamana, tontolo iainana, politika. Misandrahaka amin’ny sehatra maro ny fiaraha-miasa: fambolena, fahasalamana, fandriampahalemana, fanabeazana. Nolazaina ihany koa fa mankasitraka ny fanohizan’I Rosia ny fanohanana ny dingana fisandratana sy fampandrosoana an’I Madagasikara. Voizina sy hamafisina ny tsy fiandanian’I Madagasikara noho ny ambara fa finiavana hiara-hiasa amin’ny rehetra na eo aza ny ady mampifanolana an’i Russie sy Ukraine. Raha hiverenena anefa, tamin’ny fifidianana teo anivon’ny Firenena Mikambana ny 23 febroary 2023 dia isan’ireo firenena 141 niray feo tamin’i Etazonia, Allemagne, Japon,… nifidy ny fehin-kevitra mitaky ny fialan’iny Rosianina any Ukraine Madagasikara. Misabaka sy te hilalao ilay tsy te ho ratsy eo anatrehan’ny etsy sy eroa noho izany ny Mpitondra Malagasy, saingy rehefa zohiana dia toa tratry ny tsy azo hanoharana ihany indraindray, raha raisina amin’io nisafidy ny hiray feo amin’ny Tandrefana tamin’ny febroary io, fa tsy niziriziry tamin’ilay tsy miandany. Ny any Eoropa manamafy ny famatsiana fitaovam-piadiana mahery vaika an’I Ukraine an’I Russie, izay midika fa mihamafy ny ady. I Madagasikasikara miezaka maneho fa sady naman’ny atsy no naman’ny aroa. Vao andro vitsy no nahazo toky tamin’ny Lafrantsa amin’ny fanohanana ny fifidianana ny Fitondrana, andro vitsy taorian’io manao serasera fa tena mpirahalahy mianala amin’I Rosia. Tena milalao politika sy diplaomasia isika fa ny irariana dia tsy ho votso-droa na sanatria ho lasa kianjan’ady eto, indrindra amin’izao ankatoky ny fifidianana.
Toky R
 

Dans la même rubrique

22-mai-2025

Naloto tanteraka ny antenimieram-pirenena eny Tsimbazaza

Card image cap
22-mai-2025

Misy antony mazava tsara, hoy ny mpandrindra nasionalin’ny vovonan’adilahy

Card image cap
22-mai-2025

Efa tsy hilamina intsony io ao Toliara io, hoy ny filohan’ny antoko politika Natiora,

Card image cap
22-mai-2025

Avy any atsimo dia hihazo ny tapany avaratry ny Nosy avy hatrany izahay

Card image cap
22-mai-2025

Hita ho somary mba nalefaka na hoe «modéré» kokoa ny kabary nataon’andriamatoa

Card image cap
21-mai-2025

Tsy mitsahatra ny manaraka ny fivoaran’ny toe-draharaham-pirenena misy eto amintsika ny

Card image cap