Rajoelina, fa toa efa tapi-dalan-kaleha. Ny tonta no havadibadika, miverina ny olon’ny tetezamita,… Tsikaritra ho voageja sy voafetra amin’ny fanapahan-kevitra, ary sarotsarotra ny adihevitra sy adivarotra any anaty Fanjakana any. Tsy voalamina ny olana amin’ireo olona sasany nametraka azy tamin’ny tetezamita ihany koa raha tarafina amin’ireny disadisan’ny olom-boafidy sy olom-boatendry ireny. Niaraha-nahita ny fitakiana nataon’ny olom-boafidy sasany izay mafana fo amin’ny fanohanana an-dRajoelina ny hanesorana ny mpikambana sasany ao anatin’ny governemanta, saingy tsy tanteraka izany. Misy ny ady mangatsiaka, mandroso maty Raibe, mihemotra maty Renibe ihany koa rehefa tena zohiana, ka tsy maintsy alamindamina sy sarontsaronana eo ny otrik’ady izay efa lasa miharihary sy vaky am-batolampy. Tsy sahy manaisotra ireo minisitra sasany mahasorena sy mahasosotra ny olom-boafidy avy anaty Fitondrana. Efa tsy marin-toerana sy tsy maharo intsony ny fananana maro an’isa amin’ny andrim-panjakana, ny ao anatiny tsy voalamina ary misy mivoaka aza ka mihena am-pitoerana, ny avy aty ivelany tsy misy miditra,… Tsy dia tena manana olona firy intsony, tsy mahasarika sy tsy maharesy lahatra ireo manam-pahaizana maro mielim-pantrana manerana ny Nosy sy maneran-tany satria tsy te handoto tena ao anatin’ilay fitondrana izay efa an-dalam-pifaranana ihany koa ny ankamaroany. Toa tratry ny takalon’aina politika ihany ka matahotra sao lasa famakiana ady amin’ireo mpiara-dia sasany ao anaty governemanta ny fanesorana. Tao anatin’ny 4 taona mahery kely ihany koa anefa, efa in’enina teo no nikitika governemanta, nisinisy ihany ny endrika nisehoany teo, saingy tsy tafavoaka mihitsy tamin’ny ankampobeny. Ao anatin’izao 6 volana farany izao, tsy hisy fahagagana firy intsony, fa ny mifehy ny fahavoazana sy miezaka mametraka ny paikady politika hiezahana hitazonana ny fahefana amin’ny fifidianana tsy ho ela, na koa hamorona làlana politika hafa tsy ampoizina satria sarotsarotra ny mbola hahazoana fandresena. Mihalalina ary mihamafana ny toe-draharaha politika ka dia samy mijery izay hiseho ny rehetra.
Toky R
Andrasana anio 20 mey 2025 etsy amin’ny Antenimierampirenena ny Minisitra miisa 3
Manoloana ny resaka aely ao amin'ny kaominin’i Talata Volonondry mikasika ny
Kihon-dalana politika iray teto amin’ny Firenena sy ny antoko TIM ny raharaha 2009
Hatramin’ireo antoko politika neverina ho filamatra teto amin’ny firenena hatramin’ny repoblika voalohany