Mbola hiantsoantso fihavanana sy fitoniana ihany ve ny mpitondra ankehitriny amin'ireny fandetehana an’i Rolly Mercia sy Voahangy Rajaonarimampianina ireny? Ampahany ireo fa maro ireo olona nalentika am-ponja tahaka an-dry Stan’ley Ramarivelo, Berija Ravelomanantsoa,… Rariny ary ekena fa tokony hofoanana ny tsy maty manota, ary tsy miaro ireo olona potehin’ny Fitondrana Rajoelina fa mba misy azo iadian-kevitra ihany ny vesatra hanenjehana an’ireny mitaha ireo olon’ny fitondrana voarohirohy amin’ny afera maloto avo lenta samihafa. Mifangaro hatrany amin’ny raharaha sy fanamelohana ara-politika, raha tarafina amin’ny hoe: nody an-tanindrazana ny Filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina, nanao fanambarana politika, mety ho kandida filoham-pirenena, dia iny fa mifanindran-dàlana amin’izany ny fanamelohana ara-pitsarana ny vadiny, mba hanaratsiana endrika azy. Raha izao sary miseho izao, raha tsy voalamina ny fifanenjehana ara-politika tonga hatramin’ny famotehana tanteraka fiainan’olona, mety ho zary hanamarika hatrany ny fiainam-pirenena eto ny fifandimbiasana any am-ponja. Ny olana mantsy, izay eo amin’ny fahefana managadra izay mpanohitra azy, izay tonga eo indray mety hanagadra ny mpanagadra teo aloha,… Fomba firesaky ny filoha Rajoelina ny hoe: tsy mila korontana intsony ny firenena, saingy rehefa jerena ny zava-misy, toa ilay fitondrana no manao izay hampitroatra ny olona eo anatrehan’ny endri-javatra toa tsy rariny indraindray. Dia ho toy izany foana ve ny ho endriky ny raharaham-pirenena sy ny fifampitondrana eto? Sanatria hiandry efa malemy sy efa hirodana tanteraka ve vao hiantso fitoniana sy fihavanana?
Toky R
Nampidirina ho ala-olana indray ny vanin’andro ririnina, izay mampihena ny
Fa inona marina no tena olana ao amin’ny samy mpitondra ambony ao e ?
Mipetraka ho adihevitra eo amin’ny tontolo politika indray ny resaka lalàm-pifidianana,
Ho lanin’ny vahoaka malagasy tsianjery ihany no hiafaran’ity kobaka am-bavan’ny filoham-pirenena,
Notanterahana ny zoma sy sabotsy 23-24 mey tetsy amin’ny Hotely Carlton Anosy ny hetsika