airtel

Politique

30-août-2023

Fitoriana ny Filoha vazaha taratasy

Hiaka fitsarana amin’ny herinandro Rajoelina…

Sample post image

Raharaha isan’ny andrasan’ny maro amin’izao mialohan’ny fifidianana izao ny raharaha momba

30-août-2023

ny zom-pirenen’ny Filoha ankehitriny Atoa Andry Rajoelina. Voaantso hiatrika fitsarana eny amin’ny Fitsarana ambaratonga volohany io Filoha ankehitriny io ny 06 septambra izao amin’ny 10 ora maraina. “Voapetraka ny “assignation” izay niantsoana an’I Andry Rajoelina hiseho fitsarana ary hotsaraina mba hamoahan’ny fitsarana didy fa very ny zom-pirenena Malagasy nanomboka ny 19 novambra 2014, mba ho fampiharana ny andininy faha-42,43, 46 amin’ny zom-pirenena Malagasy”, hoy Rtoa Fanirisoa Ernaivo anisan’ireo mpitory azy ao anatin’io raharaha io. Ny andrasana, hoy ny fanazavan’io Filohan’ny Sendikan’ny mpitsara teo aloha io, dia ny hitsarana ny raharaha araka ny lalàna sy ny voalazan’ny andininy faha-60 sy ny manaraka amin’ny lalàna momba ny zom-pirenena. “Mazava ny lalàna, maka zom-pirenena vahiny, efa feno taona, nahavita raharaha fanompoam-pirenena, dia tsy mila mangataka didy fahaverezana zo-pirenena. Izay foana no fiarovan-tena, fa mbola tsy nisy didim-panjakana, ka tsy mila izany, fa ny Fitsarana ambaratonga voalohany, dia afaka manambara ny fahaverezan’ny zom-pirenen’I Andry Rajoelina”, hoy hatrany I Fanirisoa Ernaivo. Momba ny valin-tenin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana na ny HCC mikasika ny fitoriana nataon’izy ireo kosa, dia nilaza tsy mahefa hitsara ny resaka zom-pirenena io fitsarana, izay marina fa tsy mahefa tokoa, fa kosa manana andraikitra kosa hanao “question prejudicielle” na hiantso hitondra ny raharaha eny amin’ny Fitsarana ambaratonga voalohany kanefa tsy nataony izany, hoy I Fanirisoa Ernaivo. Rehefa tsy nataony, dia hataonay, ka amin’ny faha-6 septambra izao eny amin’ny Biraon’ny Filohan’ny Fitsarana ambaratonga voalohany no hatao izany fitsarana manokana, hoy ny hatrany izy. Mifandraika amin’ny toe-draharaha politika ihany koa anefa io satria ny 06 septambta amin’ny 06 ora hariva ny fara-fandraisana ny dosien’ireo kandida ho Filoha. Nomarihin’I Fanirisoa Ernaivo, fa araky ny lalàna, dia tsy maintsy mampiato ny fanapahan-keviny ny fitsarana hafa izay mandinika ny raharaha mikasika olona iray raha ohatra ka mbola misy fitoriana mikasika ny zom-pireneny eny amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany. Ny dikan’izay dia tsy maintsy manao “sursus à statuer” ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana noho io fitoriana izay nataonay io, ka tokony tsy ho afaka handinika ny filatsahan-kofidian’I Andry Rajoelina manomboka amin’io 06 aogositra io hatramin’ny 09 aogositra, ka ho hitantsika eo io HCC izay efa tsy atokisantsika, izay efa tsy mitsara araka ny lalàna, fa araka ny olona izay nanendry azy ka ho hita eo ny tohiny, hoy hatrany Rtoa Fanirisoa Ernaivo.
ANY AMIN’NY MINISITRY NY FITSARANA NY BAOLINA
Ny Filohan’ny HCC Atoa Florent Rakotoarisoa kosa moa omaly, dia naneho sy nampahatsiahy, fa any amin’ny Fitsarana ambaratonga voalohany no fakana izany, ka raha omen’ny fitsarana ilay kandida, dia ny minisitry ny fitsarana no omen’ny lalàna alalana handray fanapahan-kevitra farany, araka ny ny andininy faha-89 amin’ny lalàna momba ny zom-pirenena. Ny Minisitry ny fitsarana dia marihina fa toerana politika ny azy, ny Filoha no isan’ny nanendry azy teo, izy izay efa niaro ny Filoham-pirenena tamin’io raharaha zom-pirenena io, ka raha raisina amin’io, na mety tsy hanome aza ny mpitsara, dia ny Minisitra izany no tompon’ny teny farany. Ankilany, miantso ny vahoaka Malagasy, miantso ny mpanohitra hiara-hitaky ny fampiharana na ny lalàna, hitaky ny rariny sy ny hitsiny, ary hiara-tsy hanaiky ny fanitsakitsahana ny lalàna, hoy moa Rtoa Fanirisoa Ernaivo. Ny eo anivon’ny fanoherana, izay marihina fa nandritra ilay fihaonana politika nosakanana teny amin’ny Yandy By Pass ny 21 aogositra teo, dia nilaza fa tsy ekena intsony ny hamerenana ny fitantanan’ny vazaha na vahiny! Asa hanao ahoana no hiafarany? Inona no hitranga raha hahazo zom-pirenena ihany I Andry Rajoelina? Inona ihany koa no hiseho raha toa ka tsy hahazo an’io tokoa izy?

Voalaza fa tsy marisika hanao hanome taratasy manamarina ny zom-pirenena Malagasy ho an-dRajoelina ny ankamaroan’ny mpitsara. Nahazo fampanantsoan’I Iavoloha ny Filohan’ny Tribonaly ambaratonga voalohany eto Antananarivo sy Antsirabe hoy ny resaka niely omaly saingy mbola tsy voamarina aloha ny fisiany ka asa hoe: tena izay tokoa ve? Inona no hitranga amin’ny herinandro izay mifanandrify amin’ny fiafaran’ny fe-potoana fanaterana dosien’ireo kandida ho Filoha?
Toky R

 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,

Card image cap
30-mai-2025

Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany

Card image cap
30-mai-2025

Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,

Card image cap
30-mai-2025

Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,

Card image cap
28-mai-2025

hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra

Card image cap
28-mai-2025

Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,

Card image cap