airtel

Politique

18-avril-2023

Politique

Fitotonganan’ny lisitry ny mpifidy Sao dia mba misy kandida tiana hahintsana ?

Sample post image

Mitohy ny ahiahy politika taorian’ny namoahan’ny CENI ny antontan’isa mikasika ny lisi-pifidianana taorian’ny fikatonana vonjimaika ny 10 aprily.

18-avril-2023

Miisa 10 069 136 no voaisa hatramin'ny nanaovana ny fanavaozana tanteraka saingy nisy ny latsaka rehefa nodiovina, izay toa nentina nanehoana fa azo antoka ny solosaina. 9 623 662 ny mpifidy voasoratra anarana ara-dalàna hatreto satria miisa 66 313 ny anarana na karapanondro niverimberina. 379 161 kosa ireo nahitana tsy fahatomombanana toy ny daty nahaterahana, laharan-karapanondro tsy feno, na tsy fahatomombanana hafa, ka tsy maintsy haverina. 9 914 262 ny isan’ny mpifidy tamin’ny 2018, saingy mbola latsaka 2,9% amin’io ny tao anatin’ny fanavaozana manontolo izay 9 623 662 hatreto. Somary mampiady hevitra kosa ny hoe: fifandrifian-javatra ihany ve ny hoe: tamin’ny ankampobeny dia ireo toerana maharesy ny Filoha ankehitriny na tsy tsy dia nahazoany vato firy no tena betsaka latsaka ny isan’ny mpifidy na tamin’ilay fanadiovana, na tao anatin’ny tsy fahavitrihan’ny mpifidy? Sao sanatria misy kajy politika avo lenta handatsahana kandida na mpifaninana? Ny Faritanin’Antananarivo izay be mpifidy indrindra no ambany indrindra ny taham-pisoratana anarana satria mbola 66,25% izay 3 045 005 hatreto no voasoratra anarana raha 3 335 560 ny tamin’ny 2018, izany hoe: latsaka 290 555 na -8,7% mitaha ny tamin’ny 2018. Tao anatin’ny faritanin’Antananarivo ihany koa ny antsasa-manila latsaka kely tamin’ireo ambara fa verin-droa nilatsaka satria 31 029 tamin’ny 66 313. Ny faritra 3 amin’ny 4 dia latsaka avokoa ny isan’ny mpifidy mitaha ny 2018. Raha ho an’Analamanga manokana, latsaka 267 481 be izao mitaha ny tamin’ny 2018 ny isan’ny mpifidy hatreto satria 1 906 399 no lasa 1 638 918. Ny Faritra Vakinankaratra miisa 23886 ny elalanelana satria 834804 no nidina 810918 izany hoe: nihena 2,9% mitaha amin’ny 2018. Ny Faritra Bongolava 231307 lasa 238 788 izany hoe nihena 519 na 0,2%. Ny tao Itasyy, nisy fitomboana saingy ambany dia ambany satria 363 050 no lasa 364 381, saingy 0,4% ny fiakarana raha atao ny salanisa.
NIHENA I FIANARANTSOA SY TOAMASINA
Ho an’ny faritanin’Antsiranana kosa dia manana mpifidy 705 745 hatreto, nisy fiakarany 1329 na +0,2% satria 704 416 ny 2018. Nisy fihenany 19985 na -1,1% ny tao Fianarantsoa izay 1812 018 no lasa 1 792 043. Faritra 4 tamin’ny 6 no nihena, fa isan’ny tena latsaka ny tao Ihorombe satria nahatratra -11,9% mitaha amin’ny teo aloha izay 153 566 no lasa 135 276. Niakatra kosa ny isan’ny mpifidy ao anatin’ny Faritanin’I Mahajanga izay 1 139 850 no lasa 1 187 498 izany hoe niampy 4 7648, saingy misy faritra nitotongana be dia I Melaky izay -10,8% mitaha ny teo alohany (124 262 lsa 110 875), Boeny latsaka -1,6% mitaha amin’ny teo aloha (378 492 lasa 372 532), raha toa ka niakatra be ny tao Sofia (+10,7%) satria 500 487 lasa 553 906. Niakatra +9,9% ihany koa moa I Betsiboka izay 136 609 lasa 150 185. Ho an’ny Faritanin’I Toamasina dia latsaka -2,9% mitaha amin’ny teo aloha satria misy elanelana 43 313 satria 1 503 059 no nidina ho 1 459 746, na dia ny faritra Atsinanana (Nihena -8,5% satria 577 149 lasa 528 225) aza no nilatsaka fa nanatombo kely ireo faritra sasany. Ho an’ny faritanin’I Toliara kosa dia nanatombo 1 4276 mitaha amin’ny teo aloha 1 419 349 lasa 1 433 625. Nitotongana -8,9% anefa ny Faritra Menabe mitaha ny tamin’ny 2018 (265 049 nidina ho 241 439), ary -2,0% kosa ny any Atsimo Andrefana (551 837 lasa 540 532), raha toa ka niakatra 8% ny an’Anosy (288 892 niakatra ho 312 114), niakatra 8,3% Androy (313 571 lasa 339 540). Ho an’I Toliara, nilatsaka ny vato tany amin’ny nandresen’ny kandida iray tamin’ny 2018 sy ny ao amin’ny tena fihavian’ny mpanao politika iray malaza fa hilatsaka.
Toky R

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Mitohy hatrany ny fitsidihana sekoly eto Fianarantsoa sy ny manodidina, tanterahin'i Docteur Marie Michelle

Card image cap
19-avril-2024

Nolaniana ny didim-panjakana laharana faha 2024-959 manova ny andininy sasany

Card image cap
19-avril-2024

Tontosa omaly alakamisy 18 aprily 2024 tao amin'ny Lapan’ny Antenimierampirenena ny

Card image cap
19-avril-2024

Hita ho mbola niara-nitokan-javatra tamin’ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina,

Card image cap
18-avril-2024

Kandida avy amin’ny antoko AREMA miisa 25 no tsy afaka mandray anajara amin’ny fifidianana ho

Card image cap
18-avril-2024

Nanahirana ny nikarakara ny taratasy filatsahan-kofidiana solombavambahoaka tamin’ity,

Card image cap