tia tanindrazana

Parution du Vendredi, 2 Juin 2023

airtel

Politique

Fitsarana Anosy Samy voaheloka i Rolly Mercia sy Voahangy R

Miombo hatrany ny vesatra andetehana ny Minisitry ny serasera teo aloha Harry Laurent Rahajason na Rolly Mercia. Nohelohina higadra an-tranomaizina 30 volana sazy mihatra miampy lamandy 2 tapitrisa Ar

15-févr-2023

Sample post image

indray ity Minisitra teo aloha ity, araka ny didim-pitsarana nivoaka omaly tetsy Anosy. Noho ilay raharaha fijoroana vavolombelona tamin’ny fiampangana ny mpandraharaha matanjaka iray tany amin’ny PNF (Parquet National Financier) tany France io, ka vesatra niampangana azy ny fijoroana vavolombelona tsy marina na “faux témoignage”, fanendrikendrehana tsy misy porofo na “dénonciation abusive” izay lasa nivadika ho fanalam-baraka amin’ny zavatra tsy marina na “ dénonciation calomnieuse” no vesatra nanamelohana azy. Tsara ny manamarika, fa nilaza ho nanamafy ny fijoroany vavolombelona indray I Rolly Mercia teo anoloan’ny fitsarana ny 7 febroary teo noho ny fahadisoam-panantenany satria nanantena fa taorian’ny fanatsoahana izany dia ho afaka, saingy vao mainka nahazo sazy 44 volana an-tranomaizina tamin’ny raharaha Berija nampidirana ny anarany. Nilaza fa ny anabaviny sy ny reniny mihitsy no niresaka tamin’Atoa Norbert Lala Ratsirahonana ny oktobra 2020, ary nampanantenaina fa misintona ny taratasy fijoroana vavolombelona dia hahazo fahafahana madiodio, kinanjo vao mainka nilentika satria ny fanatsoahana izany dia noraisina ho fijoroana vavolombelona mandainga. Raha mbola ny fitondrana Rajoelina no eo, any amin’ny volana aogositra 2025 izany vao ho tafavoaka ny fonja I Rolly Mercia raha toa fanenan-tsazy amin’ny fampiakarana sy amin’ireny fanenan-tsazy fanaon’ny filoha ireny, izay na nahazo aza tamin’ny saziny 44 volana dia tsy nositrahany. Maro maneho eo anatrehan’ny fandetehana ity minisitra teo aloha ity hoe: kendrena hovonoina any am-ponja I Rolly Mercia, izay tsy misotro rano mihitsy amin’ny fanamelohana, ka vao madiva ho vita ny teo, dia efa nilatsaka indray ny didy manaraka. Marihina fa nanomboka ny 16 jolay 2020 no nalefa tany am-ponja ity minisitra teo aloha ity. Tsy Rolly Mercia irery, fa isan'ny voarohirohy ho niray tsikombakomba taminy mikasika ilay hoe fanaovana "faux témoignage" ihany koa ramatoa Voahangy Rajaonarimampianina izay vadin’ny Filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina, ka nahazo sazy miantona herintaona an-tranomaizina sy fandoavana lamandy iray tapitrisa Ariary. Olona fahatelo nohelohina mitovy amin’ny sazin’I Rolly Mercia ny teratany vahiny iray antsoina hoe Raphael, izay henjehina ho nanao fijoroana vavolombelona tsy marina ihany koa.


Manoloana ny fanamelohana an’I Rolly Mercia, nilaza ny mpisolovava Me Eric Rafidison fa tsy hijanona hatreo fa hampiakatra fitsaràna ambony. Araka ny heviny "tsy mbola tokony hisy ny fanenjehana eto Madagasikara satria mbola tsy vita akory ny fitsarana ny raharaha ao amin'ny PNF any France".
Toky R
 

Dans la même rubrique

Card image cap
Manoro Régis - UNDD «Matahotra mafy dia mafy korontana izahay»
02-juin-2023

Manaraka ny zava-misy ny antoko politika UNDD, hoy ny filohany, Dr Manoro Régis. Hitanay ny mahazo ny vahoaka, hoy izy.

Card image cap
5 volana mialohan’ny fifidianana Miha mangotraka ny tontolo politika
02-juin-2023

Mihazakazaka ny toe-draharaha politika, ary hita ho miha mangotraka amin’izao 5 volana mialohan’ny fifidianana izao. Mandeha ny adihevitra samihafa toy ny firesahana sy adihevitra ambony latabatra hametrahhana ny fitsipi-pitondran-tena,

Card image cap
Etazonia Manohana ara-toekarena, miandrandra fifidianana madio
02-juin-2023

Nankalazaina omaly 01 jona 2023 ny fankalazana ny faha-247 taonana nanambarana ny fahaleovantenan’i Etazonia

Card image cap
Antoko politika Matsilo «Na ny fitondrana aza mahita fa tsy amin’ny izy ny fitantanany»
02-juin-2023

Madagasikara an’ny malagasy no fantatray, hoy ny antoko politika Matsilo. Na ny fitondrana ankehitriny aza, hoy ny filohan’izy ireo, Joseph Yoland,

Card image cap
Jerry Rakotoarijaona «Samy hafa ny fihetsiketseham-bahoaka sy tolom-bahoaka»
02-juin-2023

Sarotra raha amin’izao ny hahatarika olona hidina an-dalambe, hoy ny mpamakafaka raharaham-pirenena, Jerry Rakotoarijaona.

Card image cap
Antoko politika Natiora «Lojika raha tsy misy fitoniana politika eto»
02-juin-2023

Lalaovin’ireo mpamatsy vola mahazatra isika, hoy ny antoko politika Natiora. Averiko ihany, hoy ny filohan’izy ireo, Mihari-Ni-Rencho,

Voir plus