izay heverina fa mbola manao lava tànana amin’ireo rafitra napetrany. Eo ny endrika fampitanilana ny fitantanan-draharaham-panjakana, ny fanambazana vola na zavatra etsy sy eroa izay endriky ny fividianana safidim-bahoaka,… fa mbola mandeha ihany koa ireo tetika hafa mitovitovy sy mifanindran-dàlana amin’izany. Tsy araka ilay firesahana tany aloha fa tsy mila manao propagandy intsony dia lany, fa tena manao izay tetika sy hevitra rehetra hahazoana fandresena, eny fa na tsy mankasitraka ny fifidianana amin’izao endriny izao sy tsy manao propagandy aza ny kandida hafa. Mipoitra ireo fanatsikafonana samihafa, ka ny depiote Masy Goulamaly indray no nanatsikafona omaly, fa misy ny fandikan-dalàna izay mibaaribary, izay sady miendrika fanararaotana ny fahantran’ny Malagasy. “Raha vao azo ny kara-pifidianana dia efa misy ireo manentana ny mba handehanana eny amin’ny “QG” na foiben-toerana. Tonga dia alaina sary, anontaniana ny mombamomba azy, na ny isan’ny zanany. Avy eo dia omena io taratasy kely lavalava io, ary ampanantenaina fa ity taratasy kely ity no entinao aty aminay vao lany eo ny kandida, ary omena tosika fameno ianao, na vatsy tsinjo”, hoy ny fanazavana nataon’ny depiote Masy Goulamaly, izay marihina fa isan’ireo nandrotsaka taratasy firotsahan-kofidiana ho Filoham-pirenena saingy nisintona izany noho ny fanapoizana ny tranga tahaka izao. Izy izay isan’ireo olom-boafidy ao anatin’ny Hetsika Fotsy iraisana amin’ireo kandida. Endrika manamafy ny kolikolim-pifidianana itony mitsikafona itony ka inona no hambaran’ireo rafitra mpikarakara sy mpitsara ny fifidianana? Mbola fifidianana madio sy milamina, ary eken’ny rehetra ve no handeha eo raha tazonina amin’izao? Miharihary ny tetika maloto samihafa hividianana ny safidim-bahoaka, ampian’ny fitongilanan’ny rafitra samihafa, izay manamafy hatrany fa fifidianana hitondra makany amin’ny korontana sy savorovoro ary tsy fahamarinan-toeran’ny firenena na anatiny na eo imason’ny sehatra iraisam-pirenena no hitranga eto raha hoentina amin’io amboletra io.
Toky R
Hivoaka anio 17 janoary amin’ny 10 ora maraina etsy amin’ny Tribunal Admnisitratif Anosy
Efa anaty krizy izao i Madagasikara, hoy ny mpanao politika sady mpahailalàna, Alain Mahavimbina.
Manomboka miverina sy mifoha ny resaka fitakiana ny famoahana ireo gadra politika amin’izao
Tsy natao hanakorontana na hanimba zavatra ny fanoherana, hoy ny antoko politika FLN na «Front de libération national».
Foto-pisainan’ny antoko politika FLN na «Front de libération nationale» ny hoe tsy misy vahoaka resy amin’ny taniny,
Tena manahirana ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny, hoy ny antoko politika Maeva na Madagasikara