maha ben’ny tanàna ny tena, hoy ny ben’ny tanànan’ny kaominin’i Tanjombato sady filohan’ny fikambanan’ny ben’ny tanàna eto Madagasikara, Tovo Rakotojohary, nanohy ny fanazavana ny fomba fiasany tao anatin’izay fe-potoana naha ben’ny tanàna azy izay. Eo koa, hoy izy, ny resaka fampandrosoana sy fivoarana. Ny fivoarana moa resaka toe-tsaina izay an’ny vahoaka entin’ny tena fa ny fampandrosoana matetika resaka fotodrafitrasa. Tsy maintsy miaraka ireo. Eo ny fanatanterahana ny politika ankapoben’ny fanjakana amin’ny resaka PNDE. Izay no tsy maintsy hanohizana azy satria ny fahafaha-manantanteraka ny fitsinjaram-pahefana anatin’io PNDE io. Faha 3 taona isika izao. 10 taona no fametrahana an’ilay izy. Lojika raha tohizana ny asa natomboka dia hiady amin’izany fanomezana andraikitra ny vondrona itsinjaram-pahefana izany ny tenako. Ny fahatanterahan’ny fitsinjaram-pahefana marina no antoky ny fampandrosoana ifotony. Ny fanohizana izany dia mitaky tsy maintsy filatsahan-kofidiana amin’ny fifidianana ben’ny tanàna manaraka eo, hoy hatrany izy.
J. Mirija
Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,
Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany
Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,
Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,
hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra
Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,