airtel

Politique

07-août-2023

Politique

Fivoahan-dRajoelina any ivelany Efa karazana fanaovam-beloma…

Sample post image

Manao fitsidihana ofisialy any Rwanda mandritra ny roa andro dia anio sy rahampitso 8 aogositra ny Filoham-pirenena mivady sy ny delegasionina tarihiny.

07-août-2023

Famaliana ny fanasan’ny Filoha Rwandais Paul Kagame taorian’ny fanasan’ny Fiadidian’ny Repoblika Malagasy azy teto tamin’ny taona 2019 io, araka ny seraseran’ny Fitondrana. Minisitra maromaro, parlemantera, mpandraharaha tsy miankina no hiara-hisidina hiazo an’i Kigali. Hisy ny fanasoniavana fiifanarahana ara-piaraha-miasa amin’ny sehatra maro ka tanjona ny hifanakaikezana amin’ny fiaraha-miasa ara-toekarena. “Hisy ny fiaraha-midinik’ireo mpandraharaha amin’ny sehatra tsy miankina amin’ny mpandraharaha Rwandais sy ny fitsidihana ireo toeram-pitrandrahana miroborobo any Kigali. Filamatra eo amin’ny hafainganam-pandehany I Rwanda, izay nahavita nanarina ny fireneny tao anatin’ny fotoana fohy rehefa avy niaina ady an-trano goavana. Ny tanjona dia mba handray traikefa sy ny fahaiza-manaon’I Rwanda I Madagasikara ka ho afaka hanarina sy hanatratra haingana ny fahatarana eo amin’ny fandrosoana tao anatin’ny 60 taona mahery”, hoy ny Fitondrana Malagasy. Ny febroary 2019, dia efa nisy ny ekipan’ny EDBM (Economic development board of Madagascar) nanao fitsidihana fampahafantarana tany Rwanda, ary efa nisy ny fifanaovan-tsonia “Rwanda Development Board, ka tanjona ny hampiakatra ny sehatra ara-pampiasam-bola eo amin’ny firenena roa tonta. Tamin’izany no niresahana ny hanokafana ny zotram-piaramanidina Antananarivo-Kigali mba hampiroboroboana ny fifanakalozana, saingy tsy hita izay niafarany! Mbola voasokajy ho firenena ho mbola ambanin’ny 1135 dolara isan-taona isam-batan’olona eo amin’ny harin-karena na I Madagasikara na I Rwanda, saingy ny antsika 540 dolata, raha toa ka 930 ny azy ireo. Efa lasa lavitra amin’ny fandrosoana ara-toekrana kosa anefa I Rwanda, ary ny Banky Iraisam-pirenena no nilaza fa afaka 70 taona isika vao hahatratra azy amin’izao endriny izao, raha mijanona amin’io endri-pitantanana misy ankehitriny io. Inona no mba lesona nalaintsika taminy?

MILA MPITONDRA MAHAY SY TIA TANINDRAZANA
Ara-politika, mila miezaka be isika raha te hitovy amin’I Rwanda izany. Mila maka traikefa aminy tamin’ny fomba nandaminana ny krizy ady an-trano. Inona tamin’ny nataony no mba nakantsika lesona sa haingon-tsehatra fotsiny ny nanafarana an’I Kagame teto tamin’ny 2019? Lasa endrika ivelany sy serasera no betsaka, fa ny vokatra nentiny tsy hita taratra! Aty amin’ny iray volana tsy hialana raha ho kandida ve vao hanao fifanarahana sy haka lesona tsy efa fanaovan’ny fitsidihana fanaovam-beloma? Mety hanana endrika fanaovam-beloma ihany koa ny ho Fitsidihan’ny Filoha Afrikanina Tatsimo eto raha ho tanteraka ny fitsidihany araka ny fihaonan’ny roa tonta ny 14 jona. Nambara fa hanamafisana ny fiaraha-miasa ara-diplaomatika sy ekonomika, kanefa ny volamenantsika 73kg sarona tany aza 2 taona aty aoriana tsy vitan’ny Fanjakana Rajoelina ny nifampiraharaha nahafahana nampody azy nafoy tanteraka! Sarotra ny hahatafaverenany eo amin’ny toerana maha Filoham-pirenena, raha izao sary politika miseho izao, raha ny lojika politika. Ny lesona azo tsoahina raha miverina miresaka Rwanda na koa I Afrika Atsimo izay nanjaka ihany koa ny resaka fanavakavaham-bolokoditra, dia mila mpitondra mahay mampiombona sy mampiray ary to teny tahaka an’I Kagame sy Nelson Mandela ny firenena, mila Filoha mahay mijery ny tena tokony ho laharam-pahamehana,… Fa ny tena goavana indrindra dia mila Filoha tena tia tanindrazana!
Toky R
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,

Card image cap
30-mai-2025

Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany

Card image cap
30-mai-2025

Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,

Card image cap
30-mai-2025

Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,

Card image cap
28-mai-2025

hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra

Card image cap
28-mai-2025

Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,

Card image cap