airtel

Politique

30-oct-2023

Fivondronamben’ny Malagasy

manohitra ny jadona Miantso ny iraisam-pirenena tsy hamatsy ny fifidianana

Sample post image

Efa mivelatra ho an’ny Malagasy rehetra na eto an-toerana na ireo misandrahaka maneran-tany ny tolona

30-oct-2023

tarihin’ny Firaisankinan’ny kandida izay efa voasokajy ho tolom-bahoaka sy tolom-panafahana ankehitriiny. Nivoaka tamin’ny fahanginany indray ireo Malagasy mpila ravinahitra mielim-pantrana any Eoropa izay mikambana ao anatin’ny Fivondronamben’ny Malagasy manohitra ny jadona na FMMJ ny faran’ny herinandro teo. Maneho ny ahiahiny mikasika ny raharaham-pirenena, firenena manana fitondrana tsy ara-dalàna, governemanta iombonana izay tsy manaraka velively ny rafitra anatin’ny lalàmpanorenana ary nafindra hoentin’ny Jeneraly Ravalomanana Richard, araka ny fanambaran’izy ireo. Noho izany, mitaky ny fanajana ny fahalalan’ny Malagasy manerana ny Nosy hanao fihetsiketsehana sy hivory mandritra ny vanim-potoana mialohan’ny fifidianana, manohana tanteraka ny foto-kevitra ijoroan’ny Firaisankinan’ny kandida indrindra fa ny fitakiana ny fampiharana ny andininy faha-42 amin’ny lalàna momba ny zom-pirenena dia fanalana ny kandida laharana fahatelo efa tsy mitondra ny zom-pirenena Malagasy intsony hatramin’ny novambra 2014 izay tsy mila ampahatsiahivina intsony, hoy izy ireo. Manohitra tanteraka ny fitsarana mitongilana avy amin’ny HCC, ny lisi-pifidianana volavolain’ny CENI, ny fampiasana ny fitaovam-panjakana ho an’ny fampielezan-kevitry ny filoha teo aloha, ary ny hery famoretana. Manameloka ihany koa ny fitsikilovana ny Malagasy amin’ny alalan’ny rindram-baiko “Predator” izay ambaran’izy ireo fa novidiana tamin’ny tsy ara-dalàna, ampiasaina amin’ny tsy ara-dalàna, izay volam-bahoaka 14 tapitrisa euros no nividianana azy. Hentitra izy ireo nilaza fa mitsipaka tanteraka ny firosana amin’ny fifidianana amin’ny 16 novambra. Manao antso avo amin’ny Fivondronambe iraisam-pirenena hanatsahatra avy hatrany ny famatsiam-bola sy fanohanana ny firosoana ny fifidianana izy ireo. Tsy manaiky sarin-tsarim-pifidianana, ary miara-mampiaka-peo amin’ny Firaisankinan’ny kandida amin’ny tsy fanekena ny fanitsakitsahana ny zo fototry ny vahoaka Malagasy izay mitaky fifidianana ara-demokratika, izay manome lanja ny fanajana ny latsa-baton’ny mpifidy tsirairay. Manao antso avo ho an’ny mpiray tanindrazana rehetra izy ireo, fa eny amin’ny kianjan’ny 13 may no fotoana, hoy izy ireo namarana ny fanambarana, narahina tamin’ilay hiaka hoe: “tsy voavidy vola!”
Toky R
 

Dans la même rubrique

27-mai-2025

Nampidirina ho ala-olana indray ny vanin’andro ririnina, izay mampihena ny

Card image cap
27-mai-2025

ny vahiny fa ny eto potehina…

Card image cap
27-mai-2025

Fa inona marina no tena olana ao amin’ny samy mpitondra ambony ao e ?

Card image cap
27-mai-2025

Mipetraka ho adihevitra eo amin’ny tontolo politika indray ny resaka lalàm-pifidianana,

Card image cap
26-mai-2025

Ho lanin’ny vahoaka malagasy tsianjery ihany no hiafaran’ity kobaka am-bavan’ny filoham-pirenena,

Card image cap
26-mai-2025

Notanterahana ny zoma sy sabotsy 23-24 mey tetsy amin’ny Hotely Carlton Anosy ny hetsika

Card image cap