ny praiminisitra nataon’izy ireo farany teo ve sa tena efa tsy firaharahiana ilay fiainam-pirenena sy ireo vahoaka nifidy azy ireo intsony mihitsy? Fanontaniana manitikitika io manoloana ny fahalainan’ireo depiote manatrika fivoriana eny Tsimbazaza tao anatin’izay fiverenan’ny fivoriana ara-potoana izay. Maneho ny tsy fahafaliana na fahatezerany mihitsy amin’ny rafitra mpanatanteraka ve ny rafitra mpanao lalàna? 151 no isan’ireo solombavambahoaka izay samy manana ny toerany eny amin’ny antenimieram-pirenena kanefa dia 19 ihany no isan’ireo tonga mivory misy fotoana. Misy fotoana 14 sy 15, izany hoe am-polony amina depiote maherin’ny 150 isa no manapaka ny fiainantsika mianakavy eto. Ny talata teo izao ohatra dia izany no isan’ny depiote nanatrika tatitra nataona minisitra miisa 4 dia ny minisitry ny serasera sy ny kolontsaina, ny minisitry ny fitsarana, ny minisitry ny fambolena sy minisitra lefitra misahana ny fiompiana. Sehatra tena goavana eto amin’ny fiainam-pirenena anefa ireo, raha ny fitsarana manokana dia firifiry ny fitarainana amin’ny fomba fiasa, ny hetaheta amin’ny fanatsarana io tontolo io. Ny fambolena sy ny fiompiana, tena ain-dehiben’ny firenena satria manana tanjona amin’ny fahavitan-tena ara-tsakafo noraketina anaty velirano izao fitondrana izao, fa dia tsy hita ireo solombavambahoaka. Tsara ho marihina foana fa fivoriana ara-potoana tondroin’ny lalampanorenana no atrehana eny Tsimbazaza izao.Ho entintsika aiza ity firenena ity, hoy ilay fanontaniana lasa mipetraka saika isan’andro.
J. Mirija
Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,
Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany
Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,
Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,
hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra
Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,