airtel

Politique

03-mai-2023

Politique

Fivorian’ny depiote Mijery akaiky ny toe-draharaha ny iraisam-pirenena

Sample post image

Isan’ny sary nanamarika ny fanokafana ny fivoriana ara-potoanan’ny Antenimierampirenena omaly 02 mey teny Tsimbazaza ny fanontronan’ireo diplaomaty vahiny izany.

03-mai-2023

Voalaza fa nahazo fanasana izy ireo saingy sary tsy dia fahita firy io omaly io, izay midika zavatra goavana ara-diplaomatika manoloana toe-draharaha politika eto amin’izao vanim-potoana akaiky fifidianana izao. Tazana teny an-toerana ny Masoivohon’I Algérie, Maurice, Comores, ary teo ihany koa ny solontenan’ny Masoivohon’ny Vondrona Eoropeanina, Etazonia, Chine, Allemagne, Grande Bretagne. Midika fa manara-maso akaiky ny zava-misy, ny fihodina sy ny fiasan’ny antenimierampirenena izay andrim-panjakana stratejika be manoloana ny toe-draharaham-pirenena eto ny sehatra iraisam-pirenena. “Heveriko fa misy pimaso na zavatra andrasan’ireo mpiara-miombon’antoka amintsika eo anivon’ny parlemanta, toy ny hoe: tokony mandray andraikitra, mijoro, mandray ny andraikitra andrasan’ny vahoaka. Mahatsapa ireo vahiny ireo fa ohatran’ny marefo ilay parlemanta na antenimiera, ka tahaka ny te hanome hery izy ireo”, hoy ny fanehoan-kevitry ny Depiote Brunelle Razafitsiandraofa, izay sady Filoha lefitry ny antenimierampirenena. Fifandrifian-javatra tokoa ve hoe: taorian’ny romoromo politika nanatsaharana ny fitsipaham-pitokisana ny governemanta teny antenananteny ny volana desambra 2022 sy ny fandavan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana ny fitorian’ny depiote tamin’ny Alalan’ny HCDDED (Filan-kevitra ambony momba ny fiarovana ny demokrasia sy ny fanjakana tan-dalàna) no miseho izao sary izao? Betsaka ihany koa tetsy andaniny ny fitoriana na fitarainana tonga teny amin’ny sehatra iraisam-pirenena momba ny fanohintohinana mivantana na ankolaka ny demokrasia ary masoivohona firenena maro, ohatra, no naneho ankolaka ny tsy fankasitrahany ilay tsy fahafahana manao famoriam-bahoaka politika ankalamanjana. Lapan’ny demokrasia no hilazana ny antenimierampirenena ka maneho hafatra an-kolaka fa manohana ny tena tokony hampanjakana izany sy mampitandrina ny mety ho mifanohitra amin’izany ve ny mpiara-miombon’antoka?
Toky R
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,

Card image cap
30-mai-2025

Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany

Card image cap
30-mai-2025

Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,

Card image cap
30-mai-2025

Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,

Card image cap
28-mai-2025

hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra

Card image cap
28-mai-2025

Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,

Card image cap