Voizina mafy sy ezahina haseho fa tena akaiky sy mitsinjo ny vahoaka amin’ny alalan’ny fizarana fanomezana etsy sy eroa, mba hanehoana fa tena mijery ny sosialin’ny Malagasy. Nivadika ho programam-panjakana vaovao mihitsy ilay mizara sy manome, izay tena ilaina, saingy ny olana tsy mahasehaka ny Malagasy maro an’isa, izay tena dobo ao anatin’ny fahantrana ka isan’ny fositra ny tsy fahaiza-mitantana tao anatin’ny 4 taona. Ny resaka fanavotana ny toekarena sy fampiakarana ny fahefa-mividin’ny Malagasy eo anatrehan’ny fidangan’ny vidim-piainana toa tsy tena misy vahaolana ka aleo manao serasera mizara zavatra sy hanina ? Mba hanakonana ny tsy fahombiazana, mandeha ny fitetezam-paritra hanehoana an-tsary fa tena miasa ho an’ny sosialim-bahoaka ny Filoha. Tonga hatrany amin’ny hoe: mizara hani-masaka. Asa izao ve no hevitr’ilay tenin’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina hoe: “Un bon président, c’est celui qui sait nourrir son peuple”, araka ny teniny tany Dakar ny faramparan’ny febroary teo, raha niatrika ny Fihaonana an-tampony momba ny fambolena ny fanjarian-tsakafo, ary ny fanodinana ny vokatra ara-pambolena? Ny sary tiana haseho mafy ankehitriny dia tena akaiky ny vahoaka sy mamahana azy hany ka nanaovana serasera mihitsy fa ajanona aloha ny fotodrafitrasa fa hifantoka amin’ny sosialy. Fa lasa “service traiteur” ve izany ilay IEM ka mahandro sy mizarazara sakafo etsy sy eroa? Odiana adala sy hanadiovan-tena sy ezahina hitadiavana hirika hanilihana azy mantsy ireo fampanantenana zavon-tany tsy tanteraka tao anatin’io IEM io, ka toa zavatra hafa mihitsy no ezahina haseho sy tanterahina ankehitriny. Asa tena izao ve ny politika mety sy mahomby indrindra ary tena asan’ny fahefana mpanatanteraka sa dia efa hoe: izao aloha ny làlana mba mety ahafahana manao pi-maso indray amin’ny fifidianana 2023 ?
Toky R
Manaraka ny zava-misy ny antoko politika UNDD, hoy ny filohany, Dr Manoro Régis. Hitanay ny mahazo ny vahoaka, hoy izy.
Mihazakazaka ny toe-draharaha politika, ary hita ho miha mangotraka amin’izao 5 volana mialohan’ny fifidianana izao. Mandeha ny adihevitra samihafa toy ny firesahana sy adihevitra ambony latabatra hametrahhana ny fitsipi-pitondran-tena,
Nankalazaina omaly 01 jona 2023 ny fankalazana ny faha-247 taonana nanambarana ny fahaleovantenan’i Etazonia
Madagasikara an’ny malagasy no fantatray, hoy ny antoko politika Matsilo. Na ny fitondrana ankehitriny aza, hoy ny filohan’izy ireo, Joseph Yoland,
Sarotra raha amin’izao ny hahatarika olona hidina an-dalambe, hoy ny mpamakafaka raharaham-pirenena, Jerry Rakotoarijaona.
Lalaovin’ireo mpamatsy vola mahazatra isika, hoy ny antoko politika Natiora. Averiko ihany, hoy ny filohan’izy ireo, Mihari-Ni-Rencho,