airtel

Politique

31-janv-2023

Politique

Fomba hanaovana fifidianana tsy misy halabato Manazava ny Pr Sammy Grégoire Ravelonirina

Sample post image

Nitondra ny fanampim-panazavany mikasika ny fanambaran’ny sendikan’ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra na SECES Nasionaly tamin’ny filankevitr’izy ireo tany Toamasina izay milaza fa mitaky fifidianana tsy

31-janv-2023

misy halabato ny filohan’ny SECES eto Antananarivo no sady mpahaimatematika, Pr Sammy Grégoire Ravelonirina. Azo atao tokoa, hoy izy, ny misoroka izany halabato izany na dia nalaza ho nampitaraina tanatin’ireo fitondrana nifandimby aza. Anisan’ny fisorohana ny fametrahana mpikamban’ny CENI eken’ny ankolafy maro eto amin’ny tany sy ny firenena satria na ireo olona voalaza ho mambran’ny CENI ankehitriny aza dia maha be fanahiana ihany ny ankolafy politika maro isan-karazany. Azo atao koa ny mametraka ho ambony ny serasera, izany hoe, vao miainga any amin’ny kaominina tsirairay dia ampahafantarina amin’ny alalan’ny finday na mifandray avy hatrany amin’ny haino aman-jerim-panjakana ny tomponandraikitra avy eny ifotony izay mbola manana tanteraka ny fitanana an-tsoratra miainga avy eny ifotony. Inoana ihany koa fa rehefa ampiasaina araka ny tokony ho izy ny haino aman-jery isan-tsokajiny, ny tompon’andraikitra voakasika eny ifotony eo amin’ny voka-pifidianana dia heverina fa ho sarotsarotra ny hisian’izay halabato izay. Ny firenen-dehibe tsy misy sampan-draharaha miandraikitra fifidianana izany akory. Isika eto Madagasikara, Afrika, firenena sahirankirana sy mahantra no misy izany CENI izany. Ny minisitera miadidy ny atitany no tokony hikarakara sy hikirakira ny voka-pifidianana. Rehefa misy ny fanaraha-mason’ny ankolafin-kery sy fiarahamonim-pirenena amin’ny fanaraha-maso na fandraisana anjara ihany koa an’ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny ao anaty fanetren-tena no hanaovana ny fifidianana, miara-manaiky fa tsy maintsy misy ny mpitondra voafidy na lanim-bahoaka araka ny tokony ho izy miainga avy eny amin’ny fametrahana lisi-pifidianana tsy misy “Doublon” na manohitra izany dia heverina fa manakaikikaiky ny fifidianana eken’ny rehetra tsy misy halabato isika. Tsy adinontsika ny tantaran’ny kara-panondro be dia be nariana teny Andohavato, Tanjombato, farany teo izay porofo mitohoka amin’ny tenda hoe tsy olona tokana no tompon’antoka amin’ireny halabato ireny fa misy karazana tambazotra. Jerena daholo, noho izany, ny antony rehetra mety hahatonga halabato hametrahana ny fanaraha-maso mifandraika aminy. Azo ampiasaina ary tokony ampiasaina daholo, araka izay azo atao, ireny rindrambaiko manaraka toetr’andro ireny saingy fitaovana fotsiny ireny fa ny voka-pifidianana dia miainga any amin’ny fokontany. Ny biraom-pifidianana miainga any amin’ny fokontany, kaominina, distrika. Mbola sarotiny ny mpanati-bokatra hatreo amin’ny kaominina fa manomboka eo amin’ny distrika no heverinay fa mety mampiova ny vokatra satria reraky ny dia an-tongotra ny mpanatitra vokatra. Manomboka eo na mialohan’izay izany no tokony ho malina ny tompon’andraikitra tsirairay, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,

Card image cap
30-mai-2025

Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany

Card image cap
30-mai-2025

Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,

Card image cap
30-mai-2025

Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,

Card image cap
28-mai-2025

hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra

Card image cap
28-mai-2025

Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,

Card image cap