dia tena tokony ho izany mihitsy no izy, hoy ny antoko politika FLN na «Front de libération national». Hatramin’ny taona 2018 ka hatramin’izao, hoy ny mpandrindra nasionalin’izy ireo, Iada Jean Pierre, dia tsy niova mihitsy ny mpitarika ny governemanta. Fanovàna governemanta mihitsy fa tsy minisitra fotsiny no andrasana izany izao satria governemanta iray no teto tao anatin’izay 7 taona izay. Raha hanova governemanta isika dia mila miova daholo hatramin’ny praiminisitra. Tena ilay governemanta tokoa ve nefa no tokony ho soloina sa ny programa politikan’ilay governemanta hampiharina eto amin’ny tany sy ny fanjakàna satria lazaina fa nahavita ny asany araka ny tokony ho izy ihany ilay governemanta nipetraka teo? Ilay politika napetrak’ilay governemanta mihitsy izany no tsy mampandroso an’i Madagasikara matoa ohatran’izao ihany isika. Tsy ampy, noho izany, ny manolo governemanta fotsiny fa ilay politika mihitsy no tokony ovaina na ilay olona manolotra ilay politika tanterahina eto amin’ny tany sy ny fanjakàna mihitsy no tokony soloina satria tena efa tsy mampandroso ilay firenena mihitsy ilay politika apetrany. Raha mijery ny tranga maneran-tany koa isika dia tena lojika raha hiova ny governemanta satria iaraha-mahita ireny tsikera be dia be nahazo an’i Madagasikara tany Genève, Soisa, farany teo ireny. Tsy nisy hoe tatitra nataon’ny mpanohitra ireny na tatitra nataon’ny mpitondra fa fijeren’ny fianakaviambe iraisampirenena ny zava-misy eto Madagasikara ary manaratsy endrika tanteraka ny fiainam-pirenena eto Madagasikara. Mitovy tanteraka amin’ny tarigetran’ny FLN koa ilay fanapahan-kevitry ny filoha amerikanina, Donald Trump, satria tena izay mihitsy no izy hoe ireny olona mitsoaka firenena ireny, noho ny olana misy ao amin’ilay fireneny dia tokony hiverina hanasoa ny fireneny. Tsy misakana akory izany ireo manovo fahalalana sy fahaizana na manana asa any am-pitan-dranomasina any tsy hiasa any fa ireo olona tena hoe mitsoaka toy ilay hoe malagasy miisa 5 voalaza ho averin-dry zareo aty Madagasikara kosa satria tsy ara-dalàna no hipetrahany any dia lojika raha averina aty. Manainga ny firenena aty Afrika koa moa ny tenany hanameloka ireo mialokaloka politika any amin’ny firenena matanjaka toa azy ireo rehefa avy nanao ampihimamba ny fananam-pirenena. Tsara alain-tahaka ireny fanapahan-kevitr’i Donald Trump ireny, hoy hatrany ny FLN.
J. Mirija
Misy antony mazava tsara, hoy ny mpandrindra nasionalin’ny vovonan’adilahy
Efa tsy hilamina intsony io ao Toliara io, hoy ny filohan’ny antoko politika Natiora,
Avy any atsimo dia hihazo ny tapany avaratry ny Nosy avy hatrany izahay
Hita ho somary mba nalefaka na hoe «modéré» kokoa ny kabary nataon’andriamatoa
Tsy mitsahatra ny manaraka ny fivoaran’ny toe-draharaham-pirenena misy eto amintsika ny