airtel

Politique

22-nov-2024

Front de libération national

«Matoa ahemotra ny tetibola dia ahemotra ny firenena»

Sample post image

Efa ela ny FLN na Front de libération national no nampahafantatra ny vahoaka hoe miha rendrika,

22-nov-2024

miha rendrika, miha rendrika ity firenena ity, hoy ny filohan’ny antoko politika FLN, Iada Jean Pierre. Ny zava-mitranga androany, hoy izy, dia rehefa manena ny tetibolany amina sehatr’asa iray na minisitera iray ny firenena iray dia midika izany hoe tsy misy zavatra atao ampandrosoana intsony eo fa ahemotra. Matoa ahemotra ny tetibola dia ahemotra ny firenena. Raha tiana ampandrosoana io dia tokony hitombo foana isan-taona ny tetibolana minisitera iray, izany hoe, miha miezaka, miha betsaka hatrany ny zavatra atao. Ny fihenan’ny tetibola koa izany dia manamarina hoe tsy mandeha mihitsy ny toekaren’ny malagasy. Miha ahena, miha ahena tsinona ny fandaniana. Tsy hoe rehefa tsy mandany ianao amin’ny firenena iray dia midika izay hoe mitsitsy. Tsia! Rehefa tsy mandany ianao amin’ny firenena iray dia tsy manana heritreritra ny hiroso. Tsy manana heritreritra hanao zavatra ianao izany na hahavita zavatra tsaratsara kokoa. Ny anton’io dia ambany be izany ny tahan’ny fandrosoan’ny toekarena malagasy. Miha mihena koa, ankoatran’izay ny zotom-pon’ireo mpamatsy vola antsika, izay hitantsika fa atao hoe ny 80%n’ny tetibolantsika dia ny fanampiana ara-bola na «aide budgétaire» no mameno azy dia miha marisarisa koa ry zareo satria ny filoham-pirenena aza moa mahatsapa fa misy ratsy tantana ny vola eto, indrindra, ny vola tao amin’ny JIRAMA izay nanjary nisy ireny hoe fifanenjehana isan-karazany amin’ireo mpitondra teo aloha ireo. Midika izany fa misy vola very baranahiny eto amin’ity firenena ity. Manjary miteraka olana ankehitriny ny tsy fisian’ilay toekarena dia manjary ny malagasy eto ihany indray no poretina handoa hetra ambonin’ny efa fandoany hatramin’izay. Tsy amin’ny alalan’ny hetra tsotra izany fa io izao izany misy ilay resaka «mobile money» na fifanakalozana ara-bola amin’ny finday. Raha miteny ny mpandraharaha na «opérateur» hoe tsy tokony handoa an’io dia miaro ny zon’ilay mpanjifa ao aminy izy satria tsy izy no mandoa ilay vola fa ny mpanjifa ao aminy. Fantany nefa fa vesatra ngezabe fanampiny ho an’ilay mpanjifa ao aminy ilay fanaovana an’io tataon-ketra ao io. Mody tenenina fotsiny hoe aotra faingo fa rehefa tena dinihina dia isan’ny tena mamono satria ny olona manana fahasahiranana amin’ireo zanaka mianatra aty Antananarivo, ohatra, nefa izy mipetraka any lavitra be any. Ireny izany dia isan’ny tra-pahavoazana lehibe raha ampiharina io. Ireny olona hoe manana vokatra dia matahotra amin’ny resaka dahalo dia tsy mitondra vola raviny fa mba alefany amin’ny alalan’io finday io ilay vola, ireny koa izany hitondra faisana be amin’io. Ireo orinasa moa nampirisihina tamin’ny hoe «digitalisation» dia niroso tamin’izay fikirakirana vola amin’ny alalan’ny nomerika izay dia ho isan’ny ho voa koa izany. Toy izany koa ireo miantsena mandoa vola amin’ny alalan’ny finday sy ny rehetra. Kenda roroka daholo ankehitriny ka izay fampirisihina ny olona hanao zavatra nefa kendaina tampoka ara-ketra izay no manahirana,… hoy hatrany ny FLN.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

21-mai-2025

Tsy mitsahatra ny manaraka ny fivoaran’ny toe-draharaham-pirenena misy eto amintsika ny

Card image cap
21-mai-2025

Taorian’ny fitsarana teny amin’ny Filankevi-panjakana na « Conseil d’Etat »

Card image cap
21-mai-2025

Araka ny efa nampoizina, notsipahan’ny Birao maharitry ny Antenimieramierampirenena

Card image cap
20-mai-2025

Andrasana anio 20 mey 2025 etsy amin’ny Antenimierampirenena ny Minisitra miisa 3

Card image cap
20-mai-2025

eto ny mpandraharaha any ivelany»

Card image cap
20-mai-2025

Manoloana ny resaka aely ao amin'ny kaominin’i Talata Volonondry mikasika ny

Card image cap