tia tanindrazana

Parution du Vendredi, 2 Juin 2023

airtel

Politique

Gaby Vakiniadiana “Tsy mahaleo herim-bahoaka ny basy”

Rehefa tsy hanao fikaonandoham-pirenena ny fitondram-panjakana, hoy ny talen’ny seraseran’ny Rodoben’ny mpanohitra ho an’ny demokrasia eto Madagasikara, Gaby Vakiniadiana dia lozany.

08-nov-2022

Sample post image

Rehefa tsy hay, hoy izy, ilay mitondra firenena dia miala. Io fikaonandoham-pirenena io ihany koa no ahafahan’ny firenena mankany amin’ny fifandimbiasan-toerana demokratika. Tsy milaza izahay hoe tsy mamim-bahoaka ianareo na hoe aza mamita fe-potoam-piasana fa mba tsy hisian’ny romoromo aorian’ny fifidianana, hoy izahay, dia andao atao ny fikaonandoham-pirenena. Tsy resaka fifidianana ihany no ilana an’io fa na ny resaka sosialim-bahoaka na ny toekarem-pirenena. Ireo volamena be dia be ireo. Aiza daholo ilay hazo sy ilay depiote nanao azy? Fa maninona ny mpanohitra miteny zavatra anio no gadraina rahampitso? Depiote tratra am-body omby ve dia mbola tokony handalo fitsarana avo na HCJ? Lalana tokony ovana izany aminay. Ilana fikaonandoham-pirenena daholo izany. Eto Madagasikara ny toerana ka hanao izy tsy mandrika ilay izy. Tsy hanao izy dia hitondranay tehina rehefa mandringa. Rehefa ilay tehina no ho avy dia tadidio fa vahoaka mitroatra izay dia anareo ny anareo. Tsy mahaleo herim-bahoaka ny basy. Fialana nenina io fikaonandoham-pirenena io. Tsy mitanila io rehefa mandray anjara ny vahoaka. Lozan’izay midongy ny sezany satria dia voaporofo izany fa famikiran-tseza no ataon’ny mpitondra fa tsy fitadiavana tombontsoam-pirenena. Tsy maintsy mandroso anaty filaminana fa tsy fidongian-tseza I Madagasikara, hoy hatrany izy.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

Card image cap
Manoro Régis - UNDD «Matahotra mafy dia mafy korontana izahay»
02-juin-2023

Manaraka ny zava-misy ny antoko politika UNDD, hoy ny filohany, Dr Manoro Régis. Hitanay ny mahazo ny vahoaka, hoy izy.

Card image cap
5 volana mialohan’ny fifidianana Miha mangotraka ny tontolo politika
02-juin-2023

Mihazakazaka ny toe-draharaha politika, ary hita ho miha mangotraka amin’izao 5 volana mialohan’ny fifidianana izao. Mandeha ny adihevitra samihafa toy ny firesahana sy adihevitra ambony latabatra hametrahhana ny fitsipi-pitondran-tena,

Card image cap
Etazonia Manohana ara-toekarena, miandrandra fifidianana madio
02-juin-2023

Nankalazaina omaly 01 jona 2023 ny fankalazana ny faha-247 taonana nanambarana ny fahaleovantenan’i Etazonia

Card image cap
Antoko politika Matsilo «Na ny fitondrana aza mahita fa tsy amin’ny izy ny fitantanany»
02-juin-2023

Madagasikara an’ny malagasy no fantatray, hoy ny antoko politika Matsilo. Na ny fitondrana ankehitriny aza, hoy ny filohan’izy ireo, Joseph Yoland,

Card image cap
Jerry Rakotoarijaona «Samy hafa ny fihetsiketseham-bahoaka sy tolom-bahoaka»
02-juin-2023

Sarotra raha amin’izao ny hahatarika olona hidina an-dalambe, hoy ny mpamakafaka raharaham-pirenena, Jerry Rakotoarijaona.

Card image cap
Antoko politika Natiora «Lojika raha tsy misy fitoniana politika eto»
02-juin-2023

Lalaovin’ireo mpamatsy vola mahazatra isika, hoy ny antoko politika Natiora. Averiko ihany, hoy ny filohan’izy ireo, Mihari-Ni-Rencho,

Voir plus