airtel

Politique

18-oct-2023

Gafy, fandratrana, fanimbana

fananan’olona,… Rajoelina no ao ambadika matoa tsy mifehy ny olony…

Sample post image

Miditra amin’ny fampiasan-kery sy ny fihetraketrahana tanteraka ny Kandida Rajoelina sy ny mpiara-dia aminy. Tao anatin’ny 5 andro,

18-oct-2023

sesilany ny herisetra tamin’ny faritra samihafa teto Antananarivo Renivohitra, ary tsikaritra ho mitombo hatrany ny herivaikany. Mahagaga, fa toa niniana nampifandonina mihitsy ny vahoaka tetsy Andavamamba omaly, niezaka nisotasota sy nampiasa hery tamin’ny mpiara-dia amin’ny Firaisankinan’ny kandida ka ady an-trano mihitsy ve no tiana hovolena eto. Niditra an-tsehatra nilako sy nidaroka ny mpiara-dia amin’ny Firaisankinan’ny kandida ireo andian’olona. Nampiasa “lame”, nitondra vato, nivatsy “pipi” tamin’ny tavoahangy,… nentina nihetraketrahana ny andaniny izay efa tena zava-doza tsy fampiseho masoandro. Voalaza fa novoriana tamin’ny toerana anankiray mihitsy ireo netina nanomanana ny asa ratsy, ary ny mponina eny Andavamamba dia maro no milaza fa tsy avy eny ireo mpanakorontana fa “gros bras” sy olona nokaramaina manokana, ka misy kliobana rugby voatontonona. Olona 5 raha kely no naratra, ka anisany voa mafy ny mpitarika iray avy amin’ny HVM antsoina hoe: Naina no naratra tamin’ny faritry ny lohany ary naiditra hopitaly. Tsy vitan’izany fa voaroba ny fananany tahaka ny finday, karapanondro,… Notoraham-bato sy nodarohana seza sy zavatra mafy ny fiaran’ireo kandida ka nisy fahasimbana avokoa ny an’I Marc Ravalomanana, Hajo Andrianainarivelo,… Misy anarana efa fantampatatra nivoaka omaly hoe: iza no mpibaiko ireo andian’olona maherisetra, ary mbola voantontonona ihany koa ny an’ilay olom-boafidy iray sy ny vadiny nitarika ny ekipany nanao herisetra vao andro vitsy. Raha nanao diabe teto Antananarivo Atoa Andry Rajoelina ny alahady lasa teo, tsy nisy ny sakantsakana na hetraketraka ka nahoana no rehefa ny andaniny dia sotasotaina lava? Tsy nisy vaky na atody iray aza nanomboka ny 02 oktobra fa tsy tahaka ny fanonganam-panjakana tamin’ny 2009 ka aleo mihitsy ve mamorona sotasota sy mamboly ady an-trano noho ny tsy fahazakana fahamarinana sy filaminana? Izany Filoham-pirenena izany, raha ny voalazan’ny andininy faha-45 amin’ny lalàmpanorenana dia ny Filoham-pirenena no miantoka ny firaisam-pirenena ka mendrika ny mbola hitondra ny Malagasy sy I Madagasikara ve I Andry Rajoelina izay izy tenany mihitsy no mandrisika ny olony handeha hirombo sy hamboly ady an-trano raha jerena amin’io sary io? Afaka tena hametraka ny fiandrianam-pirenena sy ny firaisam-pirenena ve eo anatrehan’ny adihevitra maro momba azy sy io fihetsika ataon’ny vondron’olona tarihiny io? Na inona na inona tsy fitovian-kevitra ara-politika, tsy mbola nisy angamba mpanao politika na kandida niantso na naniraka na namela ny olony handeha hamboly ady an-trano ho an’ny firenena tahaka izao. Izao ve ilay fitiavana no lehibe indrindra? Atoa Andry Rajoelina no lehiben’ny volomboasary ka matoa tsy manome toromarika ny olony ho tony sy hanatsahatra ny herisetra dia azo heverina fa izy mihitsy no ao ambadik’izao!?
Toky R

 

Dans la même rubrique

22-mai-2025

Naloto tanteraka ny antenimieram-pirenena eny Tsimbazaza

Card image cap
22-mai-2025

Misy antony mazava tsara, hoy ny mpandrindra nasionalin’ny vovonan’adilahy

Card image cap
22-mai-2025

Efa tsy hilamina intsony io ao Toliara io, hoy ny filohan’ny antoko politika Natiora,

Card image cap
22-mai-2025

Avy any atsimo dia hihazo ny tapany avaratry ny Nosy avy hatrany izahay

Card image cap
22-mai-2025

Hita ho somary mba nalefaka na hoe «modéré» kokoa ny kabary nataon’andriamatoa

Card image cap
21-mai-2025

Tsy mitsahatra ny manaraka ny fivoaran’ny toe-draharaham-pirenena misy eto amintsika ny

Card image cap