Isan’ny firariantsoa lehibe antsika, hoy izy, izany soatoavina malagasy miray hina sy mahay miara-monina izany. Mety misy hevitra tsy hitovizana fa mahay mifanakalo hevitra dia manao teny hierana. Efa fanomezan-janahary ho antsika taona maro izany ka tianay voizina indrindra ao anatin’ilay hoe Kianja maitso. Tsy zava-baovao izany fa zavatra mila foazina eto indray. Isan’ny asa izany tamin’izahay tao anatin’ny CFM saingy izao isika tsy afaka ny hiandry ny fitsanganan’ny CFM vaovao indray vao hanao izany asa fampihavanana izany. Tokony hapetraka any ifoton’ny firenentsika izany fa tsy tokony hiandry. Misy izao ny sakaizan’ny kianja maitso dia ireo olona resy lahatra hoe zava-dehibe izany fiarahamonina miaina soatoavin’ny fihavanana izany na amin’ny lafiny toekarena na politika na kolotsaina na famokarana ka vonona hanaparitaka azy. Tao amin’ny “Chute de la Lilie II” ao amin’ny kaominin’Ampefy izao nisy nanangana kianja maitso tamin’iny faran’ny taona iny dia niantso anay hoe hiaina ilay izy. Toy izany koa tao amin’ny kaominin’Andranomanelatra. Kianja miisa 3 no natsangany satria hoe efa mpiaina ilay soatoavina sy mbola te hiaina azy bebe kokoa hono zareo. Tena tsara hanorenana firenena izany. Misy izao iny resaka finoana nalaza be iny. Saropady io resaka finoana io satria fandresen-dahatra. Ny malagasy mino izany Andriamanitra Andriananahary izany ary ny Kristianina mino an’Andriamanitra Ray, Zanaka, Fanahy masina. Samy mikendry filaminana izany ka aoka tsy hifandrehitra afo. Aoka tsy ho ny finoana no hampisara-bazana! Samy soatoavin’ireo ny fifamelan-keloka, hoy hatrany ny tenany, ka aoka iny tsy hororitina.
J. Mirija
Nampidirina ho ala-olana indray ny vanin’andro ririnina, izay mampihena ny
Fa inona marina no tena olana ao amin’ny samy mpitondra ambony ao e ?
Mipetraka ho adihevitra eo amin’ny tontolo politika indray ny resaka lalàm-pifidianana,
Ho lanin’ny vahoaka malagasy tsianjery ihany no hiafaran’ity kobaka am-bavan’ny filoham-pirenena,
Notanterahana ny zoma sy sabotsy 23-24 mey tetsy amin’ny Hotely Carlton Anosy ny hetsika