filankevitry ny fampihavanana malagasy teo aloha sady mpitarika ny hetsika fivoizana fihavanana hoe Kianja Maitso, Gérard Ramamimampionona. Zava-dehibe ho an’ny vahoaka malagasy, mpanao politika, eo anatrehan’izao tontolo izao, hoy izy, ny famoahana izany. Mitaky fiomanana be dia be izany eo amin’ny lafiny lalana, politika, rehetra. Heverina fa tafiditra ao anatin’izao fiverenan’ny filoham-pirenena teo aloha, Hery Rajaonarimampianina, izao satria mila mipetraka 6 volana mialoha eto fara fahakeliny izy raha te hilatsaka ho fidiana. Raharahantsika mianakavy hikendrena zava-tsoa eto amin’ny firenena ny fifidianana. Aoka tsy ny fifidianana no ho loharanona korontana eto amin’ny firenena! Sanatria hoe akaiky ny fifidianana dia hifanilikilika, hifamingapingana, hifandratrandratra. Hikendrena zava-tsoa ny fifidianana ka aoka tsy ho zava-dratsy no ho hita mialoha na aoriany! Izay no antony hanaovanay ilay Kianja maitso mba ho Madagasikara iray manontolo no ho lasa Kianja maitso lehibe hanjakan’ny teny ierana, ny fifampihainoana, ny fifanomezan-tanana, fampanjakana ny fahamarinana ho fampandraisana anjara amin’ny fanarenana azy indray mba hiankin-doha amin’ny tena malagasy ny firenentsika. Miainga amin’ny fo sy fanahy ny korontana sy filaminana ka samia manana fo feno fiadanana mba hampanjakana ny filaminana eto amin’ity firenena ity, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,
Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany
Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,
Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,
hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra
Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,