Tsy hilaza miara-mahita isika, hoy izy. Na izany na tsy izany anefa dia misy zavatra tsy maintsy hirosoantsika eto amin’ny firenena. Hiatrika fifidianana isika amin’ny taona 2023. Tokony ho olona anaty fitoniana no miatrika izany. Somary saropady sy sarobidy io satria fotoana hanomezan’ny vahoaka fahefana olona hitondra azy. Ny fampanjakana ny fihavanana no hahatongavana amin’izany. Mila milamina daholo na ny vahoaka na ny mpanao politika satria raha misavorovoro ny iray amin’ireo dia miara-misavorovoro eto isika. Filaminana, fahamarinana, fahamasinana no mila hanaovana izany mba ho zava-tsoa no vokany. Tranobe iombonantsika malagasy rehetra I Madagasikara. Hagegentsika raha mbola hikorontana amin’izao. Fahavalom-pirenena izay mbola mitarika korontana amin’izao. Tomponandraikitra amin’ny fampanjakana fihavanana isika ary ny fahamarinana no fototra hitarika filaminana. Mbola ho fahantrana miampy fahantrana raha mbola hikorontana eto isika, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Nampidirina ho ala-olana indray ny vanin’andro ririnina, izay mampihena ny
Fa inona marina no tena olana ao amin’ny samy mpitondra ambony ao e ?
Mipetraka ho adihevitra eo amin’ny tontolo politika indray ny resaka lalàm-pifidianana,
Ho lanin’ny vahoaka malagasy tsianjery ihany no hiafaran’ity kobaka am-bavan’ny filoham-pirenena,
Notanterahana ny zoma sy sabotsy 23-24 mey tetsy amin’ny Hotely Carlton Anosy ny hetsika