Gérard Ramamimampionona, ary nisy ny asa nampanaovina tao anatin’izany araka ny lalàna. Fampihavana-pirenena, hoy izy, izay iraka izay fa ny tena nahazo vahana dia ny fampihavanana ny mpanao politika. Teo koa ny fampihavanana ara-toekarena, kolontsaina, eo anivon’ny fiarahamonina sy maro. Napetraka loatra tao anatin’ny lalàna ny resaka famotsoran-keloka na “amnistie” sy ny fanonerana na “indemnisation”. Nanao ny asany tsara ny CFM. Izao zava-misy izao dia efa nifanarahana ho sorohana daholo. Mba manasa ny rehetra aho hijery ilay fifanarahana na “recommendation”. Voaresaka ao ny hoe fifindra-monina mety hiteraka korontana, ny olana ara-politika, betsaka fa ilay tsy fanomezan-danja rafi-panjakana moa ohatran’ny tsy tao amin’ireo mpisehatra. Efa hatramin’ireny andron’ny depiote miisa 73 ireny ny CFM no efa niteny fa zava-doza raha izao no mitohy! Nandamina nialohan’ny fotoana moa ny CFM tamin’ireny dia mba nilamina ny fifidianana 2018. Miharihary izao ny tsy fisian’ny CFM intsony! Miantso ny raiamandreny rehetra na izany na tsy izany amin’izao fotoana izao mba hijoro ho elanelam-panahy! Toy ny fianakaviana iray ny malagasy. Misy zanaka sy raiamandreny. Raha miady ny zanaka dia tsy tokony hitanila ny raiamandreny na hampiady fa mamaha ny olana sy miezaka mampifankatia mandrakariva ireo zanaka ireo. Mahagaga fa misy sahy miteny amin’izao fotoana izao hoe izahay tsy mila mpanelanelana. Hatrany anaty andri-panjakana no misy hoe ato ny manao akanjo toy izao na ato ny manao akanjo toy izao. Tena ratsy be ny sary miseho! Lasa very hasina ny raiamandreny. Mino aho fa misy vola ambadik’izao zava-misy izao ary ny herin’ny vola no mampifandona ny olona. Eo ny fampiharana ny lalàna, raha marina sy tena miaro ny tombontsoan’ny vahoaka, fa ny tena zava-dehibe dia ny fahatsapan-tenan’ny rehetra hoe hanao ahoana isika ity? Enga anie tsy hitarika ady an-trano ny zava-misy toy izao! Manahirana raha samy handrirotra ny demokrasiany fa ny fanabeazan-tena sy fahatsapan-tenan’ny isanisany izao no tena zava-dehibe indrindra, hoy hatrany ity mpahaifiarahamonina ity.
J. Mirija
Nampidirina ho ala-olana indray ny vanin’andro ririnina, izay mampihena ny
Fa inona marina no tena olana ao amin’ny samy mpitondra ambony ao e ?
Mipetraka ho adihevitra eo amin’ny tontolo politika indray ny resaka lalàm-pifidianana,
Ho lanin’ny vahoaka malagasy tsianjery ihany no hiafaran’ity kobaka am-bavan’ny filoham-pirenena,
Notanterahana ny zoma sy sabotsy 23-24 mey tetsy amin’ny Hotely Carlton Anosy ny hetsika