hoy ny mpahaifiarahamonina, Gérard Ramamimampionona. Ho avy, hoy izy, ny fandraisana ny SADC. Toy ny anaty trano ihany io. Tsy maintsy mandray vahiny, indrindra hoe anjaranao ny mandray azy dia anjaranao no miomana amin’izany amin’ny lafiny rehetra. Tsy ny fandraisana vahiny no tokony hanadinoana ny vahoaka malagasy na hoe ny olona ao an-trano. Atao hoe misy vahiny izany ao an-tranonao dia adinonao ny mijery ny fahasalaman’ny zanakao na ny fianarany na ny sakafony. Tsy mety izany. Mihoatra lavitra noho izany ny fiainam-pirenena satria efa mihoatran’ny 30 tapitrisa izany isika izao. Zava-dehibe ny SADC fa tsy tokony hanadinoana ny aina na ny fiainan’ny vahoaka malagasy. 20 taona teo isika izao no nangataka hiditra tao amin’izany SADC izany. Matoa isika nisisika hiditra tao dia misy tombontsoa ao. Fotoana izany izao hanaovantsika jery todika hoe inona marina moa no azontsika tao tao anatin’izay 20 taona izay? Mety hoe zava-dehibe ny fifandraisana ara-diplaomatika amin’ireo firenena ireo, ny resaka jeopolitika, fifanakalozana ara-barotra na toekarena. Efa tena nisitraka izany ve isika? Nanana fahafahana na hery nakàna tombony tao ve isika sa sanatria niharana fotsiny fa ireo firenena miisa 15 hafa ihany no tena nahazo tombontsoa? Ny vokatra eto amintsika ve mba betsaka no jifain’ireo firenena ireo sa dia ny azy ihany no betsaka jifaina eto? Eo koa ny resaka politika na demokrasia izay tena maha sarotiny ny SADC. Mba efa nanabevoho demokrasia ve isika? Efa zava-dehibe ny hoe handray fitantanana sy fotodrafitrasa fa aoka tsy ho tonga amin’ny fitenenana hoe «Akaiky vilany feno arina» fa mba ho akaiky vilany feno menaka. Aoka mba hisy tombontsoan’ny vahoaka malagasy mivantana! Mety hahazo tombontsoa ny mpandraharaha ara-toekarena maro fa ilay vahoaka malagasy mihitsy koa tokony tsy ho adino amin’io fivorian’ny SADC io. Ahoana no ahafahana manatsara ny resaka angovo eto satria misy resaka angovo ao? Toy izany koa ny tombontsoa amin’ny resaka fambolena na tsaramaso io na mangahazo na kabaro na inona! Mampalahelo raha isika hitarika fivoriana indray no ho farany. Tokony jerena koa ny lafiny ara-koltoraly. Ahoana no hanabeazam-boho ny teny anglisy satria miteny anglisy ny ankamaroan’ireo firenena ireo? Sao tokony jerena ihany ny fanabeazam-boho ny teny anglisy? Manjary resy be isika raha ohatra ka hoe ry zareo mahay mifanaraka tsara dia isika lasa verivery ety amin’ny sisiny ety. Na any Frantsa aza izao misy zavatra atao dia amin’ny teny anglisy. Ny fanabeazam-boho ny fiainana ara-politika, sosialy, toekarena, koltoraly, ny fitantanana amin’ny ankapobeny mihitsy dia mba tokony ho isika no hahalala sy hitavana ary hampihatra izany fa tsy hoe sanatria vita ny fivoriana dia toy ny mandavaka rano amin’ny fanondro dia rehefa miala ilay fanondro dia miverina eo ihany ilay rano. Aorian’ny fivoriana tokony hisy fanapahan-kevitra, fa indrindra, fanatanterahana an’iny fanapahan-kevitra iny mba tsy ho lany andro lava amin’ny fivoriana eo, hoy hatrany ity mpahaifiarahamonina ity.
J. Mirija