airtel

Politique

14-avril-2026

Lapan’i Tsimbazaza

Tonga ry Bevata, tsy nipoitra ry Naivo sy ry Lanto

Sample post image

Naseho sy nosalorana samboady

14-avril-2026

omaly tetsy Tsimbazaza ireo depiote vaovao solon’ireo naongana sy tsy eo: Sylvain Claude Emily, distrikan’Isalo; Heriniainatia Solofomanana, Mahajanga I; Maharanty Rakotonandrasana Jean de Dieu Toliary I; Manako Gerum Analalava; Mena Edvin Mitsinjo; ary Randrianarison Rivo Setra Soavinandriana. Tsy mbola tazana tao Tsimbazaza kosa tamin'ny fanombohan'ny fivoriana tsy ara-potoana omaly i Naivo Raholdina, depiote voafidy tao amin'ny boriboritany faha 5 sy Lanto Rakotomanga izay ny depiote ny boriboritany faha 2. Izy ireo izay samy solombavambahoka am-perin'asa avokoa. Voalaza fa nandefa taratasy kosa i Augustin Andriamananoro, ka tao anatin’ny taratasy izay nalefany dia nambarany fa tsy eto an-toerana ny tenany amin'izao fa kosa manohana izay fanapahan-kevitra ao anatin'izao fivoriana tsy ara-potoana izao, hoy ny tati-baovao. Voalaza fa naneho ny fialan-tsiny noho io tsy fahatongavany io ity depiote ity. Ity farany izay nitsoaka an’i Madagasikara rehefa nandeha ny raharaha mikasika azy, izay nahiana ho nikotrika korontana, ankoatra ny dosie samihafa. Tonga izany ry Bevata sy ny namany, fa mbola tsy nipoitra kosa ry Naivo Raholdina sy ry Lanto Rakotomanga, 6 volana latsaka taorian’ny nionganan’ny fitondrana Rajoelina. Rtoa Lanto Rakotomanga efa tazana nanatitra fanampiana tetsy amin’ny BNGRC ihany fa ny depioten’ny Boriboriborintany faha-5 tsy nipoitra intsony. Mbola misitraka feno ny tombotsoa maha depiote satria mbola tsy nisy didin’ny HCC manamarina fahabangan-toerana !?

Toky R
 

Dans la même rubrique

05-juin-2026

hidina any amin'ny Fokontany nihaviany avy

Card image cap
05-juin-2026

hafaingano ny fikaonandoham-pirenena"

Card image cap
05-juin-2026

mandroso any amin’ny fanavaozana»

Card image cap
04-juin-2026

Naneho ny fankasitrahany ny fitondram-panjakana

Card image cap
04-juin-2026

Aoka ny tombotsoa ambonin’ny Firenena no hokatsahina »

Card image cap