Tanora miisa 6 tao anatin’ireo ampahana tanora ao anatin’ny Gen Z no voalaza fa tsy hita amin’izao fotoana izao, raha ny filazan’ireo namany. Ny 3 voalaza fa voatazona eny amin’ny BC Anosy raha ny vaovao azon’izy ireo maraina omaly maraina. I Herizo Gen Z no voamarina fa eny amin’ny BC rehefa nandalo teny ny solombavambahoaka Rajerison Antoine, hoy ny filazam-baovao. Anisan’ireo voalaza fa tsy hita i Miora, anatin’ny komity mikarakara mikasika ny fikaonandohan’ny tanora. « Afak’omaly atoandro tokony ho tamin’ny 1ora no nilaza fa misy manaraka sy nanotany hoe : inona no ataoko ? Nandrasana sy nantsoina tsy hita hatramin’ny 9ora alina. Natao ny fikarohana tamin’ny tambajotran-tserasera, 10 minitra taoriana dia niantso hoe alaivo aty By Pass. Tamin’ny 11ora alina no hoe alaina rehefa nilaza fa tsy afaka, nandeha irery i Nomena vadiny, samy tsy misy heno intsony izy ireo, maty avokoa ny finday », hoy ny fitantarana. 6 no tsy hita, ankoatra ireo voasambotra ka anatiny i Herizo. Anatin’ny fanomanana ny « plaidoyer » hatolotra amin’ny Praiminisitra, hoy hatrany ny fanazavana. Nilaza ny tsy handray anjara amin’ny fikaonan-dohan’ny tanora anio ireto tanora izay isan’ny komity mpikarakara raha tsy mivoaka ny naman’izy ireo araka ny fanambarana nataon’ireto tanora ireto hatrany, izay nilaza fa tsy hoe fisamborana anay no tanjona raha nanao fihetsiketsehana, fa fanairana sy hampahatsiahivana fa nisy vina teny an-kianja. Fanontaniana mipetraka araka izany hoe : tena nisy fakana an-keriny sy fanafenana ireo tanora tokoa nandeha ve nataon’ny Fanjakana ankoatra ireo ofisialy voalaza fa tazonina hanaovana fanadihadiana ? Vao ny faran’ny herinandro teo no nanaovana fanadihadiana ny Jeneraly misotro ronono Désiré Ramakavelo izay voalaza fa nisy fifandrasaisana tamin’ny raharaha Gen Z ka mbola mifandraika amin’izany ve ny voalaza fa fitazonana sy fanjavonana tanora ? Sa sanatrian’ny vava sinema politika handotoana ny mpitondra sy entina hanintonana olona hanopy maso any amin’ity raharaha ity sy ny fihetsiketsehana mandeha ? Tsara ny manamarika fa somary hendratrendratra ny Filoham-panjakana Kolonely Randrianirina Michael nilaza fa misy famatsiam-bola avy any ivelany ara-politika entina hanakorontanana. “Tsy ho voafitaky ny saritsarina fitakiana ny Malagasy”. Raha nanontanian’ny mpanao gazety ny Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison omaly, dia nilaza fa vao nandray azy ireo ka tsy mahafantatra ny antony hanadihadiana ireo tanora. Andrasana ny tohiny…
Toky R