ankehitriny izy. Diso nahazo vahana teto amin’ny firenena loatra mantsy tato ho ato ny tsy fitovian-kevitra eo amin’ny mpitondra sy ny mpanohitra ka raha vantany vao misy trangan-javatra iray azo ritina dia tonga hatrany any amin’ny tranga tsy eritreretina izany izay mety hitondra fikorontanana. Mila mibea sy beazina ara-politika isika hoy hatrany ity tompon’andraikitra ity mba ho tena politika marina no hatao eto amin’ny firenena ka tsy hampiady, tsy hifanilika, tsy hifanakorontana… fa hifanaja, hifampihaino, hifameno, hihavana, ary hiasa hikatsaka ny soa iombonana ho fampandrosoana ny Malagasy. Notsiahiviny moa fa ny mpitondra tokony hahay hihaino ny mpanao politika sy ny vahoaka ary ireto farany ihany koa tokony hahay haneho hevitra sy hampahafantatra izay marary azy tsy misy ambadika. Ny fanaovana politika moa dia notsoriny fa fikatsahana ny tombontsoan’ny daholobe, fifandimbiasan-toerana fa tsy fibodoana fahatany izany, fahaizana mihaino sy mandinika ny zava-misy hahafahana mitondra vahaolana ho tombontsoa ambonin’ny firenena.
Pati Legende : Gérard Ramamimampionona,
Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,
Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany
Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,
Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,
hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra
Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,