Apetraka eo am-pelantanan’ny fitondrana ny fikarakarana izany, hoy ny sekretera jeneralin’izy ireo, Durlin Retogniane, satria aza adino fa misy ny mialoha, mandritra, aorian’ny fifidianana. Raha sahirankirana mikarakara ny mialoha ny fitondrana dia ahoana moa izany ny ho tohiny? Mila hamafisin’ny fitondrana ny fikarakarana ny pitsopitsony rehetra ny mialohan’ny fifidianana. Efa voizina any an-jorony ihany koa izao ny fanovana governemanta. Misy toerana banga rahateo ny minisitera sasany ka miankina amin’ny filoham-pirenena manokana ny hanatanterahana an’izay. Mikasika ireo nosy miparitaka na “iles éparses” izay isany nimatimatesan’izao fitondrana izao ny fitakiana azy dia nangingiana izany tao anaty fotoana lavalava. Ny masoivoho frantsay eto Madagasikara izao no nametraka izay tambonin’ny latabatra anio (TTF: omaly). Resaka jeopolitika sy jeostratejika io satria matetika rehefa akatoky ny fifidianana toy izao dia tsy maintsy mijery ny fifandanjan-kerin’ireo firenena miara-miasa akaiky amin’I Madagasikara ka mety izay indray angamba no antony ivoahan’ity resaka ity mba hijerena ireo kandida afaka hiara-hiasa akaiky amin’ireo firenena miara-miasa amin’I Madagasikara. Ny fivoaran’ny fotoana moa no ahitantsika an’izay. Be dia be, ohatra, ireo kandida miara-miasa akaiky amin’ny frantsay fa eo koa ireo miara-miasa akaiky amin’ny firenena tantsinanana. Efa hita taratra ny firotsahan’izy ireo an-tsehatra amin’izany fanomanana fifidianana izany. Ho hita eo moa ny firafitry ny governemanta vaovao, raha hisy, hoe hifantoka amin’ireo olana ara-tsosialy mianjady amin’ny firenena ankehitriny ve sa ho amin’ny fampandaniana ny filoham-pirenena indray. Ny sosokevitray dia hoe be dia be izao ny olana sosialy eto amin’ny firenena, raha tsy hiresaka afa-tsy ny lalana izay avokavoky ny toekarena eto Madagasikara, mampiahiahy ny ahafahana mitondra vahaolana mikasika satria anaty fotoam-pahavaratra isika. Fotoanan’ny main-tany no fanamboaran-dalana, hoy ny tekinisianina. Atahorana ny fipoahana sosialy noho izany raha toa hifantoka amin’ny fifidianana ny governemanta, hoy hatrany ny Fiombonana.
J. Mirija
Fa maninona ny malagasy no tsy mahatoky mpanao politika intsony ? Fanontaniana isan’ny mipetraka amin’izao vaninandro iainantsika izao io.
Mila omena masomboly, zezika, tany azo hajariana ny tantsaha, hoy ny filohan’ny repoblika, Andry Rajoelina, tany Dakar, Senegal. Izay, hoy izy, no tokony atao ho fampiakarana ny famokarana eto Madagasikara.
Niseho ampahibemaso tetsy amin’ny Hotely Mahatehotia Mandrimena Iavoloha omaly 26 janoary 2023 ny Hetsika LERA, izay ivondronana olom-boafidy toy ny depiote sy ben’ny tanàna ary mpanolontsaina monisipaly,
Tandremo,tandremo sao ho voafitaka isika vahoaka malagasy fa amin'io "lera miala Rajoelina " teny amin’ny Espace Mahatehotia io fa mbola Rajoelina no ao ambadik'io, hoy ny mpanao politika, Henry Rakotomalala na Riribe.
Dimy andro mialohany hahataperan’ny fanalavam-potoana amin’ny fanavaozana manontolo ny lisi-pifidianana, 9 040 501 no tafiditry ny CENI
Nilaza ny ahiahiny ny amin’ny mety tsy fahampian’ny tetibola ka tsy ahafahana mikarakara ny fifidianana ny eo anivon’ny CENI,