fa hanao fampielezan-kevitra.Minisitra vehivavy avokoa izy ireo. Omaly alatsinainy no natao veloma tetsy amin’ny toeram-piasany etsy anosy i lalatiana Rakotondrazafy ,minisitry ny serasera sy ny kolontsaina teo aloha satria nametra-pialana fa hanao fampielezan-kevitra ho fampandaniana an’i Andry Rajoelina. Nanara-dia azy ihany koa ny minisitry ny fanabeazam-pirenena Marie Michelle Sahondrimalala, rehefa avy nitantara ny fiainany sy ny nambarany fa fanenjehana nahazo ny fianakaviany tamin’ny 2002 dia nilaza fa hiala tsy ho minisitra intsony satria hanao fampielezan-kevitra. Manohana an’i Andry Rajoelina ihany koa. Anisan’ireo andriambavilanitra tena akaiky ny filoham-pirenena teo aloha izy miraharavavy ireto satria ny iray dia efa mpiara-dia nanomboka tamin’ny 2009 ary ny faharoa kosa dia efa tale misahana ny lafiny lalàna teo anivon’ny fiadidiana ny repoblika. Samy nitana minisitera saropady ary mieli-patrana manerana ny nosy izy ireo ary anisan’ny nandrenesana fimenomenomana sy fitarainana noho ny fampidirana ny politika amin’ny fitantanan-draharaham-panjakana, ka isian’ny tsindry bokotra sy ramatahora ho an’ireo tsy manaiky ny teny midina.
RTT
Tsy mitsahatra ny manaraka ny fivoaran’ny toe-draharaham-pirenena misy eto amintsika ny
Taorian’ny fitsarana teny amin’ny Filankevi-panjakana na « Conseil d’Etat »
Araka ny efa nampoizina, notsipahan’ny Birao maharitry ny Antenimieramierampirenena
Andrasana anio 20 mey 2025 etsy amin’ny Antenimierampirenena ny Minisitra miisa 3
Manoloana ny resaka aely ao amin'ny kaominin’i Talata Volonondry mikasika ny