raha ny loharanom-baovao azo, saingy andrasana na hizotra amin’izay tokoa na tsia. Raha raisina amin’io, dia tsy hisy izany ny fitsipaham-pitokisana avy amin’ny antenimieram-pirenena na “motion de censure”. Mariky ny tsy fisiana fitoniana sy fahamatorana ny fanovaovana olona matetika, ary matetika noho ny resaka krizy noho antony, raha tarafina amin’ny nisy hatrizay, tao anatin’izao Fanjakana Rajoelina izao. Rehefa tsy misy fitoniana dia sarotra ny asa fampandrosoana. Fa nahoana no tsy misy fitoniana? Satria tsy tena nahazo ny fankatoavana vahoaka ilay fitondrana, izao no vokatry ny fifidianana hosoka sy hala-bato, tsy mitoetra ny fahamarinan-toerana satria tsy tena voatsodranom-bahoaka. Raha ho avy ny fanovana, ankoatra ireo minisitra dia mampametra-panontaniana hoe: ho voatazona amin’ny toerany ve ny Praiminisitra. Ity farany izay Lehiben’ny fahefana mpanatanteraka aorian’ny Filoha ary Lehiben’ny fitantanan-draharaham-panjakana. Feno ny fepetra ahafaha-manala azy raha tarafina amin’ny vokatra sy ny zava-misy iainan’ny vahoaka amin’izao fotoana izao. Na ireo mpiara-dia amin’ny fitondrana, ireo avy amin’ny fahefana mpanao lalàna sy mpanara-maso ny mpanatanteraka izany hoe: ny solombavambahoaka izay afaka manao ny fitsipaham-pitokisana, dia mahita fa tsy mahomby ny governemanta. Hatramin’ireo olom-boafidy tamin’ny anaran’ny vondron’antoko mpiara-dia amin’ny fitondrana no mimenomenona. Ambony ny tsindry politika tsy hitazonana intsony an’Atoa Ntsay Christian. Efa samy mitaintaina ny any amin’ny Minisitera tsirairay. Tampoka teo misy minisitra manao hetsika manerana ny Nosy amin’ny alalan’ny fanaovana “Tagnamaro”, misy minisitra voatonontona tamin’ny raharaha nahasaringotra ny Minisitry ny Fitsarana teo aloha re siosio fa mety hoesorina,… Mety handao ny toerany ihany koa ireo Minisitra na minisitra lefitra nahabe resaka. Andrasana izay mety hiseho amin’ity herinandro ity. Handray fanapahan-kevitra ve ny Filoha sa mbola hilalao an’ilay hoe : tsy manapa-kevitra ao anatin’ny tsindry ?
Toky R
Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,
Ho lasa zanatany israelianina indray izany i Madagasikara raha io fanomezana tany
Namoaka ny fanambarana mivaivay faninefany i Kolonely Patrick Rakotomamonjy,
Taorian’ireo kabary nifamaliana toy ny resaka saina sy hozatra, pelaka sy tsy pelaka,
hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra
Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,